
Voarain’ny kodiarana aorianan’ilay fiarabe izy ary voahitsaka teo amin’ny lohany. Nipotsaka ny atidohany ary toro tanteraka ny lohany. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Loza mahatsiravina nitranga tamin’iny lalana mampitohy ny lalam-pirenena faharoa sy ny kaominina Anjera Gara iny.
Aina iray indray ny nafoy ny harivan’ny talata teo, teo amin’ny toerana antsoina hoe Atsimon’Ambohidray, ao anatin’ny kaominina Ambohimalaza, vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teo an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo dia tokony ho tamin’ny efatra ora hariva teo no niseho ny loza. Tamin’io fotoana io mantsy, niezaka hisongona fiarabe teo alohany, izay mirazotra taminy ny môtô « routiere » iray. Samy avy any Ambohimalaza izy ireo ary mitodi-doha ho any Anjeva. Iaraha-mahalala anefa fa na dia somary tsy misy fifamoivoizana loatra aza iny lalana dia tery dia tery tokoa. Nampiakatra ny hafangainam-pandehany ilay kodiaran-droa noho izay eritreritra handeha hisongona izay. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nisy kubota nifanena taminy, tamin’ny ankavian-dalana. Voatery nijanona tampoka araka izany ny lehilahy satria dia efa akaiky ilay fiara, ary hisorohana ny fifandonana. Noho izay fijanonana tampoka izay anefa no nampianjera ny môtô nentiny. Nipitika vokatr’izay ilay mpitondra môtô ary niafara teny ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Tsy tana ny loza. Voatety ary voahitsaka sy potika mihitsy ny lohan’ity raim-pianakaviana ity. Nandriaka ny rà. Ary tsy tana ny ain’ity farany.
Nidina teny an-toerana avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra, izay nahitàna ny zandary sy mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Nentina notanana natao andrimaso ilay mpamilin’ilay fiarabe sy ny mpamilin’ilay kubota ho amin’ny famotorana azy ireo. Ny razana kosa dia efa nomena ny fianakaviany taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo. Teo anetrahan’ny zava-nisy dia tsy nitsahatra ny nanentana ny rehetra sy ny ireo mpampiasa lalana ny zandary, hisorohana ny tranga toa izao. Nanentana ny rehetra ihany hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Marihana mantsy, raha ny vaovao azo hatrany fa tsy manana fahazoan-dalana hitondra ilay fitaovana eny amin’ny lalam-bahoaka akory ilay mpitondra an’ilay kubota.
m.L



