- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Olona ankatoky ny fahafatesana avotry ny zandary

Ambohimalaza : Olona ankatoky ny fahafatesana avotry ny zandary

Raha tara kely fotsiny ny fahatongavan’ny zandary dia efa maty ilay lehilahy 22 taona. Omaly maraina, nisy olona niantso ny zandary mahakasika ny fisian’ny fatiolona mirakotra lamba eo antsisin-dàlana, teo amin’ny fokontany Ambatofotsy-Ambohimalaza. Niditra an-tsehatra avy hatrany ary rehefa nojerena akaiky dia tsy olona maty akory fa kosa olona velona saingy tsy mahatsiaro tena. Noraisina avy hatrany ny fepetra tamin’ny fitondràna azy teny amin’ny toeram-pitsaboana, ny Csb2 teo an-toerana. Natao ny famelomana aina ary dia avotra soa aman-tsara ihany ilay lehilahy. Teo no nanomboka nohadihadiana izy ary nilaza fa olona mipetraka any Belo-Sur-Tsiribihina. Nikasa ny hody any izy saingy noho ny tsy fisiana dia mody an-tongotra no hany heriny. Nisy fetra ihany anefa ny tanjany ary dia resin’ny hanohanana sy ny harerahana izy rehefa nandalo teo Ambohimalaza. Naka aina natory tao anaty lamba ary teo dia tsy nahatsiaro tena intsony. Ny mpiantsena vao maraina no nahita azy ary nampandre ny zandary. Ontsa koa ny zandarin’Ambohimalaza ary dia nanome sakafo azy rehefa velona soa aman-tsara. Tsy vitan’izay fa mbola nanome ny saran-dàlana hahafahany mody any an-taniny no koa nanatitra azy teny amin’ny taxi-brousse teny amin’ny fasan’ny karàna. Feno tanteraka ny asa fiarova ain’olona nataon’ny zandary teto.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici