- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimalaza : Olona roa naratra notafihan’ny dahalo

Ambohimalaza : Olona roa naratra notafihan’ny dahalo

Lehilahy miisa roa izay mpianaka no tsy maintsy nalefa haingana eny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavaolona Ampefiloha taorian’ny ratra nahazo azy ireo nandritra ny fifanandrina tamin’ny dahalo miisa telo saika hangalatra ny ombin’izy ireo, omaly vao mangirandratsy. Araka ny loharanom-baovao dia tsy nahomby ity fanafihana ity noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny zandary. Omaly maraina tamin’ny 1 ora sy sasany no niseho ny tantara tao amin’ny tanàna atao hoe Nangoroa, fokontany Ambatolampy, kaominana Ambohimalaza, distrika Antananarivo Avaradrano. Tamin’io fotoana io dia nahatazana jiro mitsilopilopy toa olona mitsilotsilo eo amin’io tanàna io ireo zandary nanao fisafoana teny amin’ny manodidina io fokontany io. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nivovo tampoka ny alikan’ilay raim-pianakaviana izay manana omby ka nokasain’ireo jiolahy hangalarina. Nivoaka ny trano ity rangahy ity mba hizaha izay zava-misy ao ivelany. Vao tafavoaka anefa ny tenany dia nifanehatra tami’ireo jiolahy miisa telo ka raikitra teo ny fifampitolomana teo amin’izy ireo. Nohon’ny be noho vitsy dia naratra teo amin’ny lohany ilay rangahy ka nihorakoraka niantso vonjeo mba hanaitra ny manodidina. Raha nandre izany ny zananay lahy izay tao an-trano dia nivoaka ihany koa mba hamonjy. Ireo jiolahy anefa mbola teo an-toerana ka avy hatrany dia nanafika ity zanaka lahy. Tsy nanaiky mora anefa ity farany ka niezaka nanohitra sady niantsoantsoa vonjeo rehefa naratra mafy teo amin’ny tanany roa. Raha nandre izany ny tao an-trano dia nihorakoraka sy niantso ny manodidina. Poa toy izay dia nivoaka daholo ireto farany ka nahatonga ireo jiolahy nandositra avy hatrany. Rehefa nahita ny zava-nisy ireo fokonolona dia niroso tamin’ny fanenjehana ireo mpangalatra. Araka ny fantatra dia omby miisa dimy tao am-bala no saika hangalarin’ireto dahalo ireto. Efa tafavoaka ny vala ireo biby ireo tamin’io fotoana io.

Tonga ny zandary

Taorian’ny nahitan’ireo zandary mpanao fisafoana ilay jiro nitsilotsilo dia nandeha namonjy ilay toerana nisy izany izy ireo. Avy hatrany ireo zandary dia nirohitra nanampy ny fokonolona tamin’ny fanarahan-dia ireo mpangalatra. Ny sasany tonga dia namonjy ireo mpianaka naratra ary nitondra izany tany amin’ny hôpitaly manara-penitra Anosiala. Noho ny ratra mafy nahazo azy ireo anefa dia tsy maintsy nentina nihazo ny hôpitaly lehibe taty Andrenvohitra ireto mpianaka ireto rehefa nahazo fitsaboana vonji-maika tao Anosiala.

Marihina fa tsy nahazo fampandrenesana tamin’ny fisian’io fanafihana io ireto zandary fa tonga teny an-toerana izy ireo rehefa nahatsikaritra zavatra nampiahiahy fotsiny ihany. Na teo aza anefa ny fiaraha-misalahy teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana dia tsy tratra ihany ireo jiolahy noho izy ireo nanana tombom-potoana nitsoahana. Fa ny zava-dehibe dia tsy tanteraka ilay halatra saika nataon’ireto dahalo.

Tanamaron’ny fandriampahalemana

Isan’ny sakana ka nahatara ny famonjena ity fianakaviana niharan’ny fanafihana ity ny tsy fananana ny laharana telefaonina hiantsoana ny mpitandro ny filaminana rehefa misy tranga toy izao. Noho izany dia isan’ny fepetra noraisin’ireo zandary ny fanentanana ireo fokonolona mba hampandre haingana azy raha vao misy zavatra mampiahiahy. Nisy arak’izany ne fizarana ny laharana finday azo hiantsoana maika ny zandary nataon’ireto farany io maraina io ihany. Tapaka ihany koa fa hisy ny fivoriana izay hiantsoana ireo herivelona rehetra ao amin’ny kaominina anio alakamisy mba entina hamelomana sy hanamafisana indray ny tanamaron’ny fandriampahalemana noho ny fahatsapana fa mitady hahazo vahana any an-toerana ny asan-joilahy toy izao. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo mpanao ratsy ary araka ny vaovao farany avy amin’ny borigadin’ny zandary ao Ambohimalaza dia efa misy ny olona ahiahiana amin’ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici