Nanatanteraka hetsika amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny zandary ao Ambohimalaza. Tratra tamin’izany ny telolahy mpifoka rongony. Lehilahy iray hafa teo am-pamakiana trano. Manaraka ny toromarika avy amin’ny kaomandin’ny vondrotobim-paritra ny zandarimaria Tana Ville fa tsy miato ny hetsika hikarohana ireo fototra mampisy tsy fandriam-pahalemana isaky ny faritra. Manao fisafoana andro sy Alina ny mpitandro filaminana. Araka ny fanazavana, tratra teny amin’ny Poteau fokontany Fiadanana sy Andranonahoatra fokontany Ambohimalaza ireo lehilahy miisa telo no tratra teo ampifohana rongony, mbola nahitana rongony ihany koa tanaty paosin’izy ireo. Teny Ambatofotsy Ambohimalaza ny jiolahy iray no tratra teo ampamakiana trano. Mbola azo teny aminy ireo zavatra nalainy tao anaty tokantrano. Vita ny famotorana, natolotra ny fitsarana izy ireo, ary notanana am-ponja vonjimaika avokoa. Yv Sam
Articles qui pourraient vous intéresser