Trano lehibe iray, misy rihana roa no may kila hotohoto, omaly maraina teny amin’iny faritra Ampitatafika iny. Izany dia vokatry ny fipoahan’ny « transformateur » iray nipetaka tamin’ny andrin-jiro, teo akaikin’io trano io. Vokany, potika tsy nisy noraisina avokoa ireo entana rehetra tao amin’ity trano ity, nanomboka tany amin’ny rihana faharoa ka hatrany ambany. Vehivavy iray mitaiza kely kosa no naratra, rehefa nitsambikina avy any ambony rihana. Tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’izany teny Ambohimamory. Ny fitantaran’ireo mponina hatrany no nahafantarana fa toy ny nisy menaka nivoaka izany avy tamin’ilay « transfo » izay efa nanomboka nirefodrefotra. Fotoana fohy taorian’izay dia nisy lelafo nivoaka, narahina fipoahana mafy. Ny menaka sy afo nivoaka no nandray ilay trano, tany amin’ny rihana faharoa. Nitatra avy eo ny afo ary tonga hatraty ambany rihana. Nahita izany ireo fokonolona teny an-toerana ka nifanome tanana avy hatrany niezaka nifehy ny afo, mandra-pahatongan’ ireo mpamonjy voina. Araka ny fantatra dia tsy nisy afa-tsy ity renim-pianakaviana ity irery sy ny zanany no tany amin’ny farany ambony. Avotr’aina sisa. Natsipy avy eny ambony rihana ilay zaza teny an-trotroany ary izy kosa nitsambikina. Naratra vokatry ny fianjerany ity vehivavy ity, ary tapaka ny tongony, raha ny angom-baovao hatrany. Fotoana fohy taorian’ny fahamaizana no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna, namono tanteraka ny afo. Ilay naratra kosa dia efa nentina novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana.
m.L