- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Karana tompona orinasa iray nisy naka an-keriny

Ambohimanambola : Karana tompona orinasa iray nisy naka an-keriny

Teratany karana iray indray no fantatra, fa nisy naka an-keriny teny Ambohimanambola tamin’ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora mahery kely. Ny loharanom-baovao voaray no nahalalana fa olona fito eo no nanao ity fakana an-keriny ity. Ny enina tamin’izy ireo nitondra basy Kalach, ny iray voalaza fa ny sefo be nibaiko fotsiny. Tamin’io ora voalaza etsy ambony io, nisy fiara roa, R 18 miloka manga mitondra ny laharana ….TN sy 404 baché fotsy manana ny nomerao….TH hita tsy lavitra ny orinasa Société Initiative Confection Export. Ny vaovao hatrany no hilazana, fa toa hoe efa nandrasan’ireo jiolahy teo ilay olona halainy an-keriny. Tao anaty fiara Toyota V8 ilay karana no voarahona. Raha nahita izany ny mpiambina azy izay nanana basy dia saika hamaly. Avy hatrany, hoy ihany ny vaovao, dia nisy ny tifi-danitra nataon’ireo bandy. Tsy afa-nanoatra ireo voatafika. Nasain’ireo olon-dratsy nivoaka ny mpamily sy ilay mpiambina ary dia nibosesika niditra tao anatin’ilay fiara V8 ry zalahy mpaka an-keriny. Io no nitondrany an’ilay olona. Fantatra ihany koa fa lasan-dry zalahy ny basin’ilay mpiambina. Navelany teo ireo fiara roa nentiny. Nihazo ny lalana mandeha ho any Ambohimangakely izy ireo.

Vao niseho ny fangalana an-keriny, dia raikitra ny sakan-dalana natao tamin’iny faritra Avaradrano iny, nanomboka teny amin’ny toerana nisy ny fisamborana an’ilay olona ka hatrany Ambohimangakely, Ilafy sy ny manodidina. Tsy nahitana vokany anefa izany. Ny sabotsy hariva tokony ho tamin’ny 5 ora, hita teny Sabotsy Namehana ilay V8, hoy hatrany ny vaovao. Ilay karana kosa hatramin’izao tsy mbola fantatra izay misy azy. Tamin’ny fanangonam-baovao natao, tsy nandrenesam-peo ity raharaha fangalana an-keriny ity. Tsy fantatra araka izany izay tadiavin’ireo olon-dratsy. Ireo fiara roa voalaza fa nentiny dia efa tazonina any amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana. Tena nafana iny faran’ny herinandro iny satria, nisy ihany koa vaovao iray izay tsy fantatra ny fahamarinana, mikasika kidnapping iray hafa niseho teny amin’ny faritra Ivandry. Tamin’izany no volaza fa nisy ihany koa ny fifampitifirana teo amin’ny mpiambina ilay olona sy ireo mpaka an-keriny.

Loharanom-baovao hafa koa no nahafantarana fa vao tsy ela, narary mafy ny rain’ity olona nalaina an-keriny ity ary efa nalefa any ivelany.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici