- Publicité -
dimanche, octobre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Lanonam-pamadihana nivadika ho vono olona

Ambohimanambola : Lanonam-pamadihana nivadika ho vono olona

Ny alin’ny alatsinainy lasa teo, nitrangan’ny savorovoro niafara tamin’ny fikasihan-tanana sy fampiasàna zava-maranitra tao amin’ny fokontany Andranomasina, kaominina Ambohimanambola, distrikan’i Mandoto. Vokany olona iray namoy ny ainy, telo naratra, ary roa voasambotry ny zandary. Taorian’ny lanonana famadihan-drazana no niseho ny fifamaliana teo amin’ny fianakaviana roa tonta. Araka ny fampitam-baovao azo avy an-toerana dia fianakaviana iray fasana izy ireo, zanaky ny lahy sy ny zanaky ny vavy, saingy tsy mifarana-tsaina. Naharitra andro maromaro ny famadihana ary ny an’ny ankilany efa vita tamin’ny alahady teo ny famonosana ireo razana. Ny an’ny andaniny kosa ny talata teo no vao vita. Taorian’ity lanonana tamin’ny talata alina teo ity no niseho ny savorovoro. Nihamafy ny fifamalina ary tonga hatramin’ny fikasihan-tanana. Ary nisy tamin’ireo olona no nampiasa antsy. Nandriaka ny rà. Raha ny vaovao azo, nisy iray tamin’izy ireo no voatsindron’antsy teo amin’ny kibony. Namoy ny ainy ity farany na dia teo aza ny famonjena nataon’ireo fokonolona. Nisy roa hafa, voalaza fa naratra mafy ary efa nentina nihazo toeram-pitsaboana koa. Nitsoaka nandositra taorian’io ireo nahavoa ka nifanenjahana. Tsy ela ihany koa dia voasambotra ireo. Mpianaka izy ireo raha ny vaovao azo : ny rainy sy ny zanany. Marihana fa naratra mafy ihany koa ilay zanany fa efa nahazo fitsaboana tamin’ireo mpitsabo teny an-toerana. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary moa ny raharaha amin’izao fotoana io ary efa mandeha ny fanadihadiana isan-karazany. Notanana natao andrimaso kosa izy mianaka, voalaza ho tompon’antoka tamin’ilay tsindrona antsy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici