- Publicité -
dimanche, septembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Nisy faty hita indray ny ranon’Ikopa

Ambohimanambola : Nisy faty hita indray ny ranon’Ikopa

Vao voalevina ny iray dia iny koa fa nisy iray hafa hita faty indray. Omaly maraina no hita rehefa nokarohina saingy efa vatana mangatsiaka. Lehilahy iray izay tsy hita rehefa niala tao an-tranony no maty tao amin’ny ranon’Ikopa indray, mifanandrify amin’Ambohimanambola. Nisy fampandrenesana tamin’ny mpitandro ny filaminana rehefa tsy hita izy. Nisy koa ny nilaza fa nahita azy nitsoraka tao amin’ny renirano. Teo dia noraisina ny fanapahan-kevitra hanao ny fikarohana. Nantsoina ny mpamonjy voina ary natao ny fitsirihina teo amin’ny manodidina sy tao anaty rano. Hita tokoa ny vatana mangatsikan’ilay tovolahy. Avy hatrany dia nanokatra fanadihadiana ny zanatobim-paritry ny zandary eo Ambohimanambola izay eo ambany fiahian’ny borigadin’Ambohilmalaza. Tsiahivina fa vao ny herinandro lasa teo no hita faty tao amin’io renirano io koa, ary mbola Ambohimanambola ihany, ny tanora iray. Io dia mbola ao anatin’ny ady mafy ny fianakaviany mitady porofo fa tsy maty an-drano izany ny zanany fa nisy namono. Natao hatramin’ny fitsirihina ny razana noho ny ahiahy. Ity fanindroany ity indray dia mbola ao anatiny tanteraka ny mpanao fanadihadian’ny zandary ary manangona ny vaovao rehetra mety hamantarana ny anton’ny fahafatesana. Sarotra ihany tokoa mantsy ny hino fa nifandimby nitsoraka tao Ikopa ny tanora vao erotrerony ary namono tena, indrindra amin’izao vanim-potoana nahitàna faty etsy sy eroa izao. Mitady ho lasa fanariana faty ve izany Ikopa ?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici