- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Toeram-pivarotana voatafika, voakapa antsibe ny tompon-trano

Ambohimanambola : Toeram-pivarotana voatafika, voakapa antsibe ny tompon-trano

Fivarotana iray teo Andraisoratra, fokontany Ambohipeno, kaominina Ambohimanambola no niharan’ny fanafihana ny andron’ny alakamisy antoandro teo. Nanohitra anefa ny tompon-trano ka noratrain’ireo olon-dratsy. Tsy nahazo na inona na inona ireto farany rehefa izany ary nanao tari-dositra. Araka ny fantatra dia tsy zoviana amin’ireo mponina teny an-toerana ireto olon-dratsy ireto fa tovolahy mpiasan’olona teny an-toerana ihany, ary samy monina tsy lavitra ity toeram-pivarotana ity. Ankevitry ny efa notilitilin’izy roa lahy efa ela io fivarotana io ary nikaroka izay fomba rehetra ahazoana vola ry zalahy. Tamin’io andron’alakamisy io nanapa-kevitry ny hanao ny « opération ». Nanao an-keriny niditra tao an-toerana mantsy izy roa lahy ireto, ary nanambana antsy ny tompon-trano no sady nitaky vola. Tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny teti-dratsin-dry zalahy satria tsy nanaky mora foana no sady nanohitra ilay olona tao an-toerana. Teo am-panaovana rombo teo no nokapain’izy ireo tamin’ny antsy ny tanany sy ny lohany. Ary rehefa naratra dia navelan’izy ireo teo. Nitsoaka toy tsy teo izy ireo. Niantso vonjy avy hatrany ny fokonolona ary rafitra ny fanenjehana azy ireo. Nanampy tosika ihany koa ny zandary rehefa nampandrenesina. Ny hariva anefa, rehefa fantatr’izy ireo fa karohina fatratra izy ireo ary tsy maintsy ho tratra satria dia fantatra hatramin’ny antsipiriany ny mombamomba azy ireo, dia nivoaka moramora avy tany amin’ny toerana niafenany izy roalahy. Nosamborina avy hatrany ary nentina natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary avy hatrany ho amin’ny famotorana. Ilay rangahy naratra kosa dia efa nentina novonjena teny amin’ny tobim-pahasalamana teny an-toerana. Fantatra anefa fa tsy maintsy nentina nampiakarina aty an-drenivohitra noho ratra mafy nahazo azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici