- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanambola : Tokantrano voatafika, naratra ny raim-pianakaviana

Ambohimanambola : Tokantrano voatafika, naratra ny raim-pianakaviana

Haingana ny fahatongavan’ireo zandary. Tsy nahavanona ny zavatra nokasain’izy ireo hatao ireo mpanafika. Na izany aza, naratra voan’ny balan’ireto olon-dratsy ihany ny tompon-trano. Tranga niseho tao Ambohimanambola, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo.

Nirefodrefotra ny basy. Tokantrano iray tao amin’ny fokontany Tanjonandriana, kaominina Ambohimanambola, no niharan’ny fanafihana mitam-piadiana, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Araka ny fanazavana azo dia jiolahy efatra, nisaron-tava sy nitondra basy vita gasy somary lavalava no nanao amboletra niditra tao amin’io tokantrano io. “Noezahin’izy ireo nopoirina ny varavaram-by teo an-davarangana ary saika hataon’izy ireo toy izany ihany koa ny varavaram-be fidirana tao an-trano. Henon’ny tompon-trano anefa izany ka niezaka nanohitra sy niantso vonjy ireto farany”,  hoy ny vaovao. Izany kotaba tao an-trano izany no nampiakatra ny hatezeran’ireo mpanafika ka nanapoahan’izy ireo ny basy teny an-tanany. Naratra vokatr’izay ilay raim-pianakaviana tao anatiny. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity farany taorian’io fanafihana io.

Fa teo anatrehan’ny zava-nisy kosa anefa, raha vao nahare ny fanafihana ireo teo amin’ny manodidina dia niantso ny mpitandro filaminana. Haingana dia haingana ny fandraisana andraikitr’ireto farany, ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Ambohimanambola. Teo no ho eo ihany dia nahetsika ireo zandary mpanao fisafoana hihazo ilay toerana nisian’ny fanafihana. Vao nahita ireto farany tonga moa ireo mpanafika dia nanao tari-dositra nitsoaka, tsy nahavita akory ny asa ratsiny ary tsy nahazo na inona na inona. Tamin’ny fitsirihana teny an-toerana moa dia mbola nahitàna taim-bala efatra teny ivelan’ny trano. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia efa natao avy hatrany ny fanarahan-dia teo no ho eo ihany. Efa nampandrenesina avokoa ireo tobin’ny zandary manodidina. Nanampy betsaka ihany koa ireo fokonolona tamin’ny fanakanana ny lalana rehetra izay mety hitsoahan’ireo jiolahy, saingy  tsy hita tany nanjavonana tamin’iny alina iny moa ireo olon-dratsy. Efa eny am-pelatan’ireo mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici