- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Jioalahy nanafika, voatifitra ny iray, efatra voasambotra

Ambohimanarina : Jioalahy nanafika, voatifitra ny iray, efatra voasambotra

Ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora alina, nisy andian-jiolahy namaky trano « salle des jeux » teny Andranomena Ambohimanarina. Nisy nahita izany zavatra izany, ka tonga dia nampandre ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahenina. Tsy niandry fa nandeha teny amin’ilay toerana ireo mpitandro filaminana. Mbola tratra teo tokoa ireo mpangalatra. Raha vao nahatazana ireo polisy ry zalahy dia niezaka nandositra nihanika tamboho. Nasaina nijanona, nefa dia nanohy ny diany hatrany. Voatery nampiasa ny fitaovana teny aminy ireo mpitandro filaminana. Tamin’izany no nahavoa ny iray tamin’ireo mpandroba teo amin’ny sandriny. Tsy afaka nandositra intsony izy io ary dia noraisim-potsiny teo. Rehefa nofotorana ny anao lahy, dia nanoro ireo namany niaraka taminy. Tsy niandry fa nanaraka ireo ireo jiolahy tafatsoaka ny polsiy ka voasambotra tamin’izany ny antsoina hoe Kapila. Mbola tratra tany amin’io olona io ny entana maro: ampli, décodeur, baffles roa, televiziona ary play station PSII avy nangalarin’izy ireo. Rehefa nohadihadiana izy dia nanoro ireo namany telo hafa : Rasta, Rabetsy ary Razaky. Tamin’ny alatsinainy maraina no nosamborina Rasta sy Razaky. Afaka nandositra nitsambikina teo am-baravarankely kosa Rabetsy. Ny talata anefa dia naterin’ny havany tany amin’ny polisy izy io. Efatra izany ireo olona tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ity vaky trano niharo halatra ity. Rehefa nofotorana ry zalahy dia fantatra fa efa nigadra tamin’ny resaka vaky trano izy telolahy voatonona etsy ambony ireo, tamin’ny 2015. Ilay voatifitra kosa dia efa notsaboina tany amin’ny hopitaly ary voalaza fa tsy misy atahorana intsony ny ainy.

Omaly alarobia no natolotra ny Fampanohavana ireo olona voasambotra ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici