- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Jiolahy mpanolana iray, voasambotry ny fokonolona

Ambohimanarina : Jiolahy mpanolana iray, voasambotry ny fokonolona

Vehivavy iray no lasibatry ny herisetra ara-nofo nataon’ olon-dratsy teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny, ny marainan’ny sabotsy lasa teo. Olon-tsotra sendra nandalo no naheno ny zava-nisy ary nampandre avy hatrany ny pôlisy teny amin’iny faritra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany, ary nidina teny amin’ilay toerana voalaza. Ilay vehivavy niharan’ny fanolanana moa no tazana tao ary nilaza fa mbola tsy lasa lavitra io olon-dratsy nanolana azy io, fa nitsoaka tao alohaloha tao. Nandeha avy hatrany ny savahao ary tazana tsy lavitra akory ny toerana nitrangan’ny fanolanana ity lehilahy ity, tao anaty kirihitr’ala kely teny amin’ny faritra antsoina hoe Fanambinana. Tetsy an-danin’izay kosa, vao nahatazana ireo mpitandro filaminana sy ilay vehivavy vao avy nanamparany ny filan-dratsiny teo ingahirainy, dia nirifatra nitsoaka. Raikitra tamin’izany fananenjehana ka minitra vitsy taorian’io, dia voasambotra ihany ilay mpanolana. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy  ity farany mba hanaovana fanadihadiana.

Tsapa tokoa tato ho ato izay, fa tsy vitan’ny manendaka intsony ireo olon-dratsy fa mamono avy hatrany izay olona lasibany amin’izany na izao tonga hatramin’ny fanolanana izao. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay tranga niseho teny Ambohibao; izay nitarika ny fahafatesana ramatoa iray vadina pastora. Fantatra ihany koa mantsy, fa nisy tovovavy voaolana iray ihany koa teny amin’iny faritr’ Andavamamba ,ny faran’ny herinandro teo, ary efa eo am-pelan-tànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici