Teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny no nisehoan’ity tranga ity,ny alatsinainy lasa teo , tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia fantatra fa tovolahy iray manan-kilema, izay voalaza fa sady moana no marenina no tra-tehaka teo am-pangalarana finday avolenta ; izay tao an-tokantrano iray. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa tratra am-bodiomby mihitsy ity tovolahy ity , ka tsy namelan’ny tompon-trano raha tsy tonga teny amin’ny polisy mba ho- fotorana sy hosazina na dia manan-kilema aza. Voalaza ihany koa, fa mpiasa trano ity tovolahy ity ka ny trano izay niasany ihany no nahavitany izao asa ratsy izao. Rehefa natao ny famotorana azy ity dia nanaiky ny halatra izay nataony izy, ary fantatra fa naveriny tany amin’ireo tompon’ny entana kosa ity finday avolenta ity rehefa tena nosaziana mafy izy. Tsy misy eto kosa ny ray aman-drenin’ ity tovolahy ity, fa voalaza fa any Mahajanga avokoa izy ireo. Sarotra ihany ny raharaha noho ity tovolahy ity izay tsy mahay miteny no sady tsy misy mahafantatra ihany koa izay zavatra tiany hambara ka voatery nampiantso olona hafa mba hanao mpisolo vava azy. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa nanao fifanarahana tamin’ny mpitory azy ity tovolahy manan-kilema ity noho ireo fianakaviana izay tsy misy eto Antananarivo , voalaza ihany koa fa manam-bady izay vao teraka kely ity farany ka izay no nanaovany izany fifanarahana izany. Tsy maintsy notazonina teny am-ponja ihany anefa izy na dia teo aza izany.Omaly antoandro teo no niakatra teny amin’ny tribonaly Anosy ny raharaha ka mbola miandry ny fitsarana ity tovolahy ity amin’izao.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)