- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Tovolahy tratra nangalatra vy tao anaty orinasa

Ambohimanarina : Tovolahy tratra nangalatra vy tao anaty orinasa

Tovolahy iray no tratran’ny mpitandro filaminana nibata vy tao amina orinasa iray teny Ambohimanarina ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Ny mpiambina ao amin’ity orinasa ity no natsikarita azy nisaoty tamboho tokony tamin’ny folo ora alina teo ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Minitra vitsy tao aorian’ny fampandrenesana dia tonga teny an-toerana ny polisin’ny boriborintany fahenina eny amin’ny faritra Ambohimanarina sy ny manodidina. Vokany, teo am-pibatana ny entana avy ao amin’ilay orinasa mihitsy ny tovolahy no tratran’ny mpitandro filaminana. Nentina natao famotorana ity lazaina ho « mpangala-by » ary niaiky ny heloka vitany izy nandritra izany. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary mitohy ny fanadihadihana. Tsy fantatra mazava hatreto izay mety ho namany amin’izao asa ratsy izao. Izy raha teo tsy nanonona na nanondro an’izan’iza. Ireo polisy kosa hanohy ny asa fisafoana amin’ny andro alina mba  hanafoanana ny asa ratsy sy ahatratraranana ny olon-dratsy.

Voarisoa Davidson

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici