- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Trano fivarotana mofomamy main’ny afon’ny “fil”-ny JIRAMA

Ambohimanarina : Trano fivarotana mofomamy main’ny afon’ny “fil”-ny JIRAMA

AMBOHIMANARINAMitohy ihany koa ny resaka hain-trano. Omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany hariva, trano fivarotana mofomamy iray eny Ambohimanarina no nirehitra. Raha ny fanazavana azonay dia noho ny fahatapahan’ny “fil” tamin’ny “conducteur” amin’ny “poteau” an’i Jirama iray manoloana ny fivarotana no fototry ny afo. Nikasoka avy hatrany tamin’ny tafon’ilay fivarota-mofo izany ka nandrehitra azy noho ny herinaratra. Manoloana izany, nanamarika ireo manodidina monina eny amin’iny faritra iny fa efa ela ihany no nahasimba io “fil” io saingy tsy nisy ny fandraisana an-tànana izany ka izao niafara tamin’ny loza mahatsiravina izao. Tonga teny an-toerana ny “pompiers” nisahana ny famonoana ny afo. Voatery notapahina ihany koa ny herinaratra tany amin’iny faritra iny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny afo. Ankoatra izay, niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana nandritra ny ora maro ihany koa ity fahamaizan’ny trano fivarotana mofomamy teny Ambohimanarina ity.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici