- Publicité -
jeudi, juin 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Voatifitra ny olona roa nandritry ny fanafihana

Ambohimanarina : Voatifitra ny olona roa nandritry ny fanafihana

Iza ihany no mamatsy an’itony ny jiolahy ? (sary tahiry)

Mbola mahoraka eny Amboavahy-Ambohimanarina, ny fanafihana nitranga, ny alin’ny alatsinainy teo. Toa ny sarimihetsika mihitsy no nitranga kanefa dia zavatra tena nisy ary tsy dia azo eritreretin’ny saina. Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina no tonga ireo jiolahy izay nanao lasibatra ny tokantrano iray. Koa satria nahatsikaritra ny fiavian’izy ireo ny tompon-trano,avy hatrany dia nandray ny fepetra mba ho any amin’ny fitoeran’ny fiara ary hamoaka izany dia hitsoaka. Tsy tontosa hatramin’ny farany anefa izany, satria nifanena tamin’ireo olon-dratsy teo amin’ny làlana mihazo ny garazy. Nitifitra avy hatrany ny mpanafika ka namparatra ireo roa lahy tompon-trano. Mbola niezaka ihany izy ireo ny nanavo-tena ary nitsoaka tamin’ny fiara. Indrisy fa noho ny fahavoazana dia tsy voafehy intsony ny familiana ary nivadika hatramin’ilay fiarakodia. Rehefa hitan’ireo olon-dratsy fa tsy afaka ny hankaiza intsony ireo olona roa, dia iny izy ireo no nanararaotra niditra tao an-trano ary nanatontosa ny fanafihana. Lasa ny entana maro, isan’ny tena betsaka tamin’izany ny kojakojan-tokantrano. Izay fitaovana elektronika rehetra tao an-tanàna, avy hatrany dia nofaohin’izy efa-dahy izay mitam-basy. Lasa hatramin’ny kodiaran-droa izay nipetraka tao amin’ny garazy ihany koa. Vao azon’ireo izay nilainy, dia rifatra nitsoaka tao anatin’ny haizina ary tsy nisy hita izay nanjavonany niaraka tamin’ny entana marobe. Tonga nanao fisafoana ny mpitandro ny filaminana, saingy efa tsy nisy intsony na inona na inona azo natao. Izay mponina teny an-toerana dia naharaka ny zava-nisy avokoa ary niteraka resa-be, indrindra momba ny fahasahian’ireo olon-dratsy izay nitifitra avy hatrany na dia tsy nampiasa hery aza ny olona izay norobaina. Notsaboina ny naratra ary samy niezaka ny rehetra ny nitadidy ireo olon-dratsy, satria tsy nisy nisaron-tava nandritra ny fanafihana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici