- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Zazavavy nalaina an-keriny, nitakiana 4 tapitrisa ariary ny fianakaviany

Ambohimanarina : Zazavavy nalaina an-keriny, nitakiana 4 tapitrisa ariary ny fianakaviany

Tsy nandingana ny omaly alina akory dia avotra soa aman-tsara ilay ankizy. Madiva haraina tany ho any kosa no voasambotra ilay tompon’antoka. Izany dia noho ny ezaka sy ny fahaiza-manaon’ny pôlisy, indrindra fa ireo tetsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina, izay nandray andraikitra avy hatrany vantany vao nahazo ny  fampandrenesena. 

Ny alin’ny alarobia teo tokoa dia nitrangana fakàna an-keriny tetsy Ambodihady Ambohimanarina. Zazavavy kely iray 13 no lasibatra tamin’izany. Raha ny fanazavana azo dia nandefa hafatra tamin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy ary nitaky onitra efatra tapitrisa ariary ho tambin’ny famotsorana azy. Rehefa nisy ny fametrahana paik’ady rehetra hamonjena ity zaza ity dia tra-tehaka, androany vao maraina, tetsy Ampasika ny tovolahy iray tompon’antoka tamin’izany. Adin’ny iray talohan’io kosa no avotra soa aman-tsara ilay zaza, salama vatana tsara, tokony ho tamin’ny telo ora maraina, tetsy amin’ny Cimetière Ambodihady. 

Ny fanazavana nentin’ny pôlisy hatrany no nahafantatra fa olona mpifanerasera tamin’ireto fianakaviana ireto ity nahavanon-doza. Nihevitra ity farany fa « manam-bola » ireto fianakaviana ireto. Antony nahatonga ny fitsirian’ny teti-dratsy tao aminy sy ireo izay mety niray tsikombakomba taminy. Ny paik’adiny : niditra tao an-trano izy tamin’ny fotoana tsy nisian’ny olona tao, ary niafina tany ambany fandriana. Efa niomana tamin’ny cagoule sy ny antsy ranamana ary niandry fotsiny ny alina. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nivoaka avy tao amin’ny toerana niafenany ingahirainy. Nandrahoana sy nibata ilay zaza ary nitondra azy nitsoaka. Tsy nisy naheno ny tao an-trano nandritra izany, raha tsy ny feon’ny finday nitatatata, nisy ilay hafatra nitakiana an’ilay vola. Nampandrenesina avy hatrany ny pôlisy ary dia izao nahazom-bokatra izao. Ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava indray moa no nandray an-tanana ny tohin’ny famotorana ary mitana ilay mpaka an-keriny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici