
Miantso vonjy, manao fitarainana amin’ny fanjakana sy ny mpitondra fiangonana ny mponina anjatony mahery ao amin’ny tanan’Antanety Antsinanana Ambohimandroso gara Antanifotsy fa lasan’ny fiangonana iray ny tanin’izy ireo mirefy 3 hekitara.
Ny taona 1966 no efa nonina, ary nanajary ity toerana ity ny ray amandreniben’ireo mponina ireo raha ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana. Tsy nipetra potsiny ny taranaka taty aoriana fa niezaka nikarakara ny taratasin’ny tany mba ho tena hahatompony azy ireo. Nifaraka ny mponina tao an-toerana ny taona 1974 araky ny fanavana fa hizara ny tany ary samy hikaraka ny taniny isan’antokony avy. Nahazoana “titre” laharana 4455 ny tany taty aoriana ary efa nisy ny “borne” na tsato bato mihitsy. Nilamin-tsaina ny mponina satria efa nahavita dingana lehibe tamin’ny tanany saingy loza no nitranga fa ny taona 2021 dia nisy andian’olona tonga tao an-tanana nilaza fa an’ny fiangonana ny tany ary homena azy. Voatery niakatra fitsarana ny raraha ary resy ireo mponina nanajary ny tany na dia nanana ny taratasy mazava tsara aza hoy ny fanazavana. Marihina fa samy mpino katolika avokoa ireto volaza ireo.
Noho ny fiarovan’ny katekista iray ireo vahoaka hoesorina amin’ny tanany dia fanatra fa nesorina amin’ny maha katekista azy ity katekista ity. Voalaza matsy fa tamin’ny 13 Febroary lasa teo dia nisy andian’olona nentin’ny mpitondra fiangonana hikasa hamboly teny saingy nolavin’ny mponina izany.
Nambaran’ireo mponina teny an-toerana fa tsy manana toerana hivelona sy hambolena afa tsy ity toerana ity izy ireo ka manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana mba hijery ny rariny sy ny hitsiny ho azy ireo.
Andry N.
Les chrétiens chez nous sont assez fanatiques. Ils brulent des musées, ils prêchent dans la politique, prennent les terrains du peuple, persuadés d’être sur le chemin de la vérité…