- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso : Mpitondra môtô, maty voahitsaky ny taxi-brousse

Ambohimandroso : Mpitondra môtô, maty voahitsaky ny taxi-brousse

Nandriaka indray ny rà tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny omaly maraina. Lehilahy iray, nitondra môtô, no namoy ny ainy rehefa nohitsahin’ny fiara taxi-brousse teo Ambohimandroso. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no niseho ny loza, raha ny fanazavàna avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana nandray an-tanana ity lozam-pifamoivoizana ity. Fisongonana sarety no antony nahatonga izany, raha ny fanazavàna azo hatrany. Samy handeha hianatsimo avokoa izy ireo tamin’io fotoana io. Ilay rangahy nitondra môtô, handeha hanao adidy any amin’iny faritra Antanifotsy iny, ilay taxi-brousse kosa handeha hihazo an’Ambositra. Teo amin’io toerana io, izay kilaometatra vitsy miala an’Ambohimandroso dia nisy sarety nibahana ny lalan’izy ireo. Samy nivonona ny handeha hisongona ity farany ity avokoa ny roa tonta, saingy ilay môtô no lasa aloha. Teo am-pisongonana anefa dia tsy fantatra izay nahazo ity farany fa tsy voatanan’ilay mpitondra ilay kodiaran-droa nentiny ary dia nianjera nony avy eo. Somary nandeha mafy ihany koa izy ireo kanefa nalama ny lalana noho ny toetr’andro ratsy. Nanaraka azy avy tao aorian’ilay fiara taxi-brousse, izay sendra ny tampoka niseho teo alohany, saingy tsy tafajanona intsony ihany koa. Niezaka niala ihany ny mpamily saingy mbola voarain’ny kodiarana aorian’ilay fiara ity mpitondra môtô nianjera ary dia voahitsaka. Maty tsy tra-drano ity farany. Tonga nijery ifotony sy nanadihady ny zava-nisy teny an-toerana moa ny zandary misahana ny fifamoivoizana avy ao Ambatolampy. « Tsy afaka ny tonga dia hitazona avy hatrany ilay mpamily izahay, satria nitondra olona ity farany, hoy ny tompon’andraikitra. Iandrasana ny fiverenany ny fanaovana ny famotorana mahakasika ity tranga ity ». Marihana fa avy aty an-drenivohitra ity lehilahy namoy ny ainy io. Ny razana kosa dia nentina tao amin’ny tranom-paty ao Ambohimandroso.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici