- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso : Namono vady aman-janaka : gadra mandra-pahafaty

Ambohimandroso : Namono vady aman-janaka : gadra mandra-pahafaty

Sazy an-terivozona mandra-pahafaty. Izay no sazy nomen’ny fitsaràna ilay raim-pianakaviana izay namono nahafaty ny vady aman-janany. Nalaza tamin’ny gazety ity raharaha niseho tamin’ny septambra 2023 tao Ambohimandroso ity. Ramatoa hita faty, nahitana tsindronaa antsy telo ny tendany, ary ny zanany maty nokendaina tamin’ny lamba. Izay no hita vao maraina tao an-tokantranon’izy ireo. Niainga teo ny fanadihadiana ary niafara tamin’ny fisamborana ny vadiny izany. Raha ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty dia manana vadikely io rangahy io ary efa nandrahona ny hamono hatrany ny rafivaviny. Ilay ramatoa maty indray, fony fahavelony dia mpaka entana eny Behoririka ary mivarotra izany eny amin’ny tsenan’Ambohimandroso. Mikirakira vola izy tamin’ny asa aman-draharahany. Mody izay rahateo no nanaromana ilay heloka bevava. Nalaina avokoa ny vola tao an-trano mba hampifangaroana ny zava-nitranga amin’ny fanafihan-jiolahy. Saingy nihoatra lavitra an’izany ny valim-panadihadian’ny zandary. Isan’ny nanampy betsaka tamin’ny fanazavana fa vonoan’olona niniana ny fahitàna soratra teo amin’ny rindrin’ilay tokantrano nisy olona novonoina. Tsy ela dia voasambotra ny vadin’ny maty ary rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voaporofo fa izy no tao ambadiky ny famonoana. Herin-taona latsaka taty aoriana, nandeha ny fitsaràna ady heloka bevava ary nahazoany ny sazy faran’izay mafy ao anaty lalàna famaizana. Nampalahelo ny maro ity tranga ity, indrindra ny fisian’ilay zazakely tsy manan-tsiny notaperina aina tamin’ny fomba feno habibiana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici