Niaraka namonjy fety izy mianaka ary rehefa nody dia samy mamo. Raikitra ny fifamaliana, nanomboka teny an-dàlana ka hatrany an-trano. Tsy vitan’izany fa tena nifampidaroka. Ary tsy fifampikasihan-tànana tsotsotra fa nifamono. Tonga tao an-trano ny raim-pianakaviana vao nijanona izany. Ny hitan’ny masony dia ny vadiny efa nitsirara tamin’ny tany ary nihoson-drà. Noezahina nentina toeram-pitsaboana faran’izay haingana saingy iny alin’ny talata iny ihany dia namoy ny ainy. Raha mbola variana teo amin’ny fitsaboana ny naratra ny olona, tamin’ilay ramatoa mbola nisy aina kely, ny nahavanon-doza kosa efa rifatra nitsoaka. Tovolahy 17 taona izy io ary mandeha ny fikarohana azy ankehitriny. Tao amin’ny toerana atao hoe Tsarahonenana, fokontany ambanivohitra Ampitatafika, distrikan’Antanifotsy no nisehoan’ity vono sy ratra niniana izay ny reniny ihany no niharan’izany ary maty. Hatreto izany dia tsy mbola fantatra ny mety ho anton’ny disadisa teo amin’izy mianaka satria ny hany vavolombelona tokony hahalala an’izany dia tsy misy afats’ilay tovolahy izay mbola tsy hita anefa izay misy azy hatreto.
D.R




