
Tambazotrana mpanodinkodina omby halatra indray no ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova, ny alin’ny alarobia alina teo. Olona dimy no voasambotra tamin’izany.
Mitohy hatrany hatreto ny ady ataon’ny zandary amin’ity fanodinkodinana omby halatra ity. Tsy mijanona fotsiny amin’ireo dahalo, mpangalatr’omby mivantana ny fanadihadiana nataon’ireto mpitandro filaminana, fa nitohy hatrany amin’ireo rantsa-mangaika mpanadio sy mpividy halatra. Toy ity nitranga teny Ambohimanga Rova ity. Niainga tamina resaka halatr’omby nitranga tao amin’ny fokontany Ambohidahy, kaominina Ambohimanga Rova ny fanadihadiana rehetra. Omby telo no voalaza teo nalain’ireo mpanafika. Tamin’io fotoana io dia tsy basy akory no nampiasain’ireo dahalo fa torabato tsy an-kijanona nentina nampitahorana ireo tompon’omby. Ora vitsy taorian’io no nahare ny zava-niseho ny tompon’andraikitry ny filaminana ary niezaka niantso ireo tompon’omby izay voalaza ihany koa fa nandeha nanara-dia ny ombin’izy ireo. Nahavariana, fa re taty aoriana, roa andro taorian’ilay tranga raha ny marina, dia hoe azo ny omby roa ary ny tompon’omby ihany no naka an’ilay izy tany amin’ireo mpangalatra. Tranga izay lasa nampiahiahy. Nanohy ny fanadihadiana hatrany anefa ny zandary ka fantatra fa mpinamana ihany ilay tompon’omby very sy ireo mpanafika. « Vokatry ny valifaty noho ny tsy fahavitan’ity tompon’omby ny vola vidin’omby novidiny teo aloha tamin’ireo mpangalatra no nahatonga ny fanafihana » hoy ny fampitam-baovao. Niroso hatrany ny fanadihadiana ka fantatra, fa « omby tsy mazava avy any faritra maro any avaratra any ireo omby namidin’ny mpanafika tamin’ny tompom’omby, izay fantatry ity farany tsara izany ». Io tompon’omby mpividy halatra io indray avy eo no mitady izay fomba rehetra hamarotana ny hena azo avy amin’ireo omby halatra. Ary rehefa lafo vao aloa tanteraka ny vidin’omby tamin’ireo mpangalatra. Rehefa tena nozohina izany dia ilay tompon’omby no ivon’ny mampihodina ity resaka halatr’omby ity tany amin’iny faritra iny. Nosamborina avy hatrany moa ity farany niaraka tamin’ireo mpiray tendro aminy : ireo mpangalatra sy mpandroaka omby, ny mpividy omby halatra ary ny mpivaro-kena. Miisa dimy araka izany no voasambotry ny zandary tao anatin’ity tambazotra ity. Mbola misy olona roa ao anatin’ity tambajotra ity kosa moa karohana fatratra amin’izao. Androany kosa no fantatra atolotra eny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto, raha tsy misy ny fiovana.
m.L