- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimanga Rova : Jiolahy nanafika mpandraharaha, maty voatora-bato ny iray

Ambohimanga Rova : Jiolahy nanafika mpandraharaha, maty voatora-bato ny iray

Soa fa nisy ny firaisankina ! Tsy nahavita izay nokasainy ireto olon-dratsy maromaro, raha nikasa ny hanafika mpandraharaha iray teny amin’iny kaominina Ambohimanga Rova, ny alahady maraina teo. Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo ary maty voatora-bato. Tafaporitsaka kosa ny namany. Ny marainan’ny  alahady teo no nitranga ity fanafihana mitam-piadiana ity, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova. Araka ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana dia mpandraharaha iray, fanta-daza eny an-toerana no saika hataon’ireo olon-dratsy ireto lasibatra tamin’io fotoana io. « Efa nisy tamin’ireo fiara nipetraka teo an-tokontany no efa voaroban’ireto olon-dratsy ireto », hoy ny fanazavàna azo. Soa ihany anefa, nalaky niantso vonjy ny tompon-trano raha vao nahita an’ireo andian’olona maromaro nananika ny tanàna nisy azy. Tsy nisalasala fa dia namaly ny antso vonjin’ireto voatafika ireo fokonolona ka raikitra teo ny fifanenjehana. Tsy nahavita akory, izay tena nokasain’izy ireo natao ireto mpanafika araka izany fa avy hatrany dia nanao tongotra an-katoka raha vao nahita ireto fokonolona tonga avy any. Ny iray amin’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavàna azo no voatoraky ny vato, nianjera ary voahodidin’ireo mpanenjika. Tsy mbola nahalala nifona sy nionona tamin’ny fahatratrarana azy anefa ity farany fa mbola nihantsy ireto fokonolona marobe tamin’ny zava-maranitra nentina saika nanaovana ny asa ratsiny. Nentin’ny hatezerana moa ireto farany ka rafitra nitoraka ity farany sy nidaroka azy. Namoy ny ainy, noho ny ratra vokatr’izay ity olon-dratsy ity. Tonga avy hatrany teny an-toerana taorian’ny fampandrenesana natao azy ireo moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova, nijery ifotony ny zava-nisy. Natomboka teo ihany koa ny savahao sy ny fikarohana ireo olon-dratsy naman’ity jiolahy matin’ny fokonolona ity. Mbola mitohy hatrany moa ny fanadihadiana mahakasika izay tranga izay, araka ny fanazavàna azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici