Dia loza tokoa ny aterak’ity hasarotam-piaro diso tafahoatra ity. Trano lehibe iray no may kila hotohoto tetsy Tsarahasina, Ambohimangakely, ny alin’ny alakamisy lasa teo. Tsy nisy azo noraisina, tapa-porohana sisa no navelan’ny afo, vokatr’izany. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra anefa, saingy tafakatra hatrany amin’ny efatra tapitrisa ariary any ho any kosa ny tetim-bidin’ny fahavoazana raha ny fampitam-baovao azo. Araka ny fantatra, dia doro trano niniana natao ity nitranga tao Ambohimangakely ity. Raim-pianakaviana iray mantsy no nahavanon-doza, raha ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary teny an-toerana. Izany dia vokatry ny hasarotam-piaro diso be loatra nananan’ity rangahy ity tamin’ny vadiny, ary tranon’ity farany io may kilan’ny afo. Hitan’ny rehetra ity farany nanao ny asa ratsiny, raha ny vaovao hatrany. Nitsoaka avy hatrany moa izy, raha vao nidedaka fotsiny ny afo. Efa nandray an-tànana ity raharaha ity ny zandary teny an-toerana ary miroso amin’ny fikarohana ity raim-pianakaviana tsy valahara ity izy ireo. Fa resaka doro trano hatrany, trano fiasana, fanamboarana hazo no may kilan’ny afo tetsy Ampantsakana, ny alin’ny zoma lasa teo. Noho izy ity trano fiasana, dia tsy nisy olona tao an-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Kila tanteraka kosa ireo fitaovana rehetra tao amin’ity trano ity. Raha ny feo mandeha dia miahiahy ho doro trano natao fanahy iniana ny rehetra. Toa hoe misy fifandirana mantsy eo amin’ny mpanofa ilay toerana sy ny tompony vao tsy ela akory izay, ary dia io may kilan’ny afo io ilay toerana. Fa fiara iray ihany koa no levon’ny afo, teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny, ny sabotsy lasa teo. Pitik’afo nahazo ny fantsona mpitondra lasantsy no nahatonga ny loza raha ny fanazavana azo teo anivon’ny mpamonjy voina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy na ny naratra vokatr’izay.
m.L / D.R