Roalahy izy ireo no voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely ny sabotsy alina teo. Tsy afa-niala intsony fa dia tra-tehaka teo am-pitaterana mihitsy ireto gonim-bary maromaro, izay nezahina nafenina tamin’ny toerana tsy lavitra teo.
Toeram-pakàna aina sy fijanonana kely ho an’ireo fiarabe, handeha ho any Atsimo na avy any Atsimo handeha hiantsinana ny etsy amin’ny tobim-pivarotana solika iray etsy Amoronakona Ambohimangakely. Maro dia maro tokoa ireo fiarabe mijanona eo, izay mazàna moa dia mitondra entana avokoa. Tamin’io sabotsy alina io, dia nitsiry ny hevi-dratsin’ireto roalahy, ny handroba ny iray tamin’ireo fiarabe ireo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, efa somary nangina ny teny an-toerana, no nihaodihaody tsy nisy farany teo amin’io fiarabe io izy ireo. Fiarabe izay fantatr’izy ireo tsara fa mitondra « vary Tsinjo » ho any Farafangana any. « Miandry «commission » no sady naka aina ny mpamily tamin’izay » hoy ny fanazavana azo. Nisy nahatsikaritra izany fihetsika hafahafan’izy roalahy ireto izany ka nampandrenesina haingana ny zandary. Mazava ho azy, ireto farany izay tsy mandry andro tsy mandry alina, manao ny fisafoana ny manodidina sy manatanteraka fisavàna ireo fiara rehetra mandalo, ka nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza. « Indreo tokoa eo, roalahy nilonjehitra gony mitsipika « orange » sy mitondra izany tsy lavitra teo. Efa voavahan’izy ireo labasy tamin’ilay fiarabe, saron’ireto entana ireto ary efa nisy gonim-bary maromaro, efa tafidina teo ambany, miandry mpitaona fotsiny ». Tsy nisy alaharo alaharo moa fa avy hatrany dia nosamborina ireto farany ary nentina nihazo ny biraon’ny zandary. Notazomina natao andrimaso ho an’ny famotorana avy hatrany, hoy ny fampitam-baovao. Raha ny filazan’ny tompon’andraikitry ny zandary dia mety efa zava-panaon’izy ireo ity mandroba ireo fiarabe izay mijanona ireo, raha ny hita tamin’ny fomba namahan’izy ireo ny labasy sy nisokirana ireto gonim-bary ireto.
m.L