- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : « Grossiste » roa voatafika, lasa ny vola rehetra

Ambohimangakely : « Grossiste » roa voatafika, lasa ny vola rehetra

Mirongatra indray ankehitriny ny fanafihana mitam-piadiana. Tranombarotra lehibe iray teny Ambohimangakely indray no lasibatry ny jiolahy miisa enina omaly tokony tamin’ny enina ora hariva. Marihina fa nirongo basy avokoa sady tsy nisy nisaron-tava ireto jiolahy ireo nandritra izany fanafihana izany. Soa fa tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Vola iray gony no lasa tamin’izany izay mbola tsy voafaritra mazava na ohatrinona na ohatrinona. Nisahotaka ny manodidina raha nahare izany vaovao mampalahelo izany. Feno olona ny arabe, izay niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Nisy tamin’izy ireo no niantso zandary. Tonga teny an-toerana araka izany ny mpitandro filaminana maromaro nandray an-tànana ny raharaha. Vokany, lavon’ny balan’ny zandary ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto. Marihina fa mbola nanafika tranombarotra iray hafa tsy lavitra teo koa ireo ambiny taorian’io fanafihana teny Ambohimangakely io. Misokatra manomboka izao ny fanadihadiana ahafantarana ny naman’ity jiolahy tafatsoaka ity. Mbola nitohy foana ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ireo jiolahy hatramin’ny ora nialanay teny an-toerana.

Niony  H.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici