- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Lehilahy maty notsindronin’ny namany antsy

Ambohimangakely : Lehilahy maty notsindronin’ny namany antsy

Lehilahy iray no hita faty teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, omaly. Nahitàna dian-dratra tao amin’ny lamosiny, ary rehefa natao ny fitiliana dia hita fa diana zava-maranitra, toy ny antsy natsatoka tao. Araka ny fantatra teny an-toerana dia ny omalin’io, izany hoe ny alahady hariva, ity lehilahy ity no hitan’ireo mponina teny an-toerana niaraka nirevirevy tao amin’ny trano fisotroana iray teny an-toerana niaraka tamin’ireo namany. Tsy nody intsony anefa izy nanomboka teo ary dia izao hita faty teny an-toerana izao. Araka izany, azo heverina fa mety ho ireto namany niaraka taminy ireto ihany no nanindrona antsy azy, ary izao nitarika ny fahafatesany. Tsy mbola fantatra anefa hatreto na inona na inona no antony nahatonga ilay famonoana. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana. Efa misy mihitsy aza moa olona voatery notanana sy natao andrimaso ao amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana noho ity raharaha vono olona ity. Fa lehilahy iray manodidina ny 36 taona ihany koa no namoy ny ainy, omaly rehefa avy nirevirevy niaraka tamin’ny namany, teny amin’iny faritra Ampamantanana iny. Araka ny fanazavana azo dia ny sabotsy hariva teo izy io nivoaka niaraka tamin’ny namany io, ary tsy nody raha tsy ny alahady maraina. Nitairana nanaray an-doha izy taorian’izay ary nomena fanafody, saingy tsy nijanona. Nentina haingana tany amin’ny hôpitaly ary dia io namoy ny ainy omaly io. Tamin’ny fitiliana ny razana no nahitàna diana mangana tao amin’ny hatony sy teo amin’ny lohaliny. Azo heverina araka izany fa mety nisy nidaroka tany ho any ihany koa izy io.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici