- Publicité -
vendredi, septembre 11, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Maty notsindromin-dramatoa antsy rangahy vadiny

Ambohimangakely : Maty notsindromin-dramatoa antsy rangahy vadiny

Nisy ny fifamaliana. Nijininika ny rà. Niafara tamin’ny famoizana aina ny fifamalian’ny mpivady tao amin’ny tokantrano iray, tetsy Mangarivotra, Ambohimangakely, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Maty noho ny ratra nahazo azy ilay rangahy, na dia noezahina notsaboina tany amin’ny hôpitaly aza. Ramatoa kosa nandeha nitolo-batana tany amin’ny pôlisy. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena zava-niseho tamin’ity tokantrano iray tao an-toerana ity. Raha ny angom-baovao azo dia nifamaly sy nifanasa vangy tao ireo olon-droa, mpivady. Niha-niakatra hatrany izany feo izany. Angamba tsy nahatsindry fo tamin’ny fifamaliana intsony ilay vehivavy ka naharay zava-maranitra. Notrobaran’ity farany avy hatrany tamin’ny antsy voarain’ny tananany ilay rangahy vadiny. Nitolefika ny anao lahy, tao anaty rà mandriaka. Vantany vao vitan’ilay ramatoa izany dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ary nandeha nanatona avy hatrany biraon’ny pôlisy teny an-toerana, nitantara ny zava-nisy. Nisy nahita kosa ny zava-niseho, ary ireo olona ireo no namonjy ilay rangahy naratra mafy. Noezahin’ireto farany nentina namonjy ny hôpitaly ihany moa izy, saingy noho ny fahavezeran-drà be loatra dia tsy tana ny ainy. Ilay vehivavy nahavanon-doza kosa, avy hatrany dia notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Ny polisy misahana ny ady amin’ny heloka bevava moa no fantatra fa misahana izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici