Ny aza voany ihany! Roa vavy mpanera taratasin-tany no nosamborin’ny zandary ny alakamisy teo teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, rehefa nisandoka ny sonia sy fitombokasena tompon’andraiki-panjakana iray teny an-toerana. Raha ny zava-nitranga : nilaza tamina tompona tany nikasa hivarotra ny fananany ireto mpanera ireto fa mahavita mikarakara ireo taratasy mombamomba izany. Vola manodidina ny enina tapitrisa ariary teo ho eo no notakian’izy ireo tamin’ity tompona tany ity. Vita tokoa ireo taratasy kanefa rehefa nikasa ny ho eny amin’ny ivonketra tamin’izay ireto tompon-tany vao hita fa sonia sy fitombokase sandoka no teo amin’ireo taratasy. Natao ny fanadihadiana ka dia izao sarona izao ireo mpanera ireo. Araka ny fantatra dia efa fanaon’izy ireo ity asa fisolokiana ity. Tamin’ny fisavàna natao tany an-tranony mantsy dia mbola nahitàna fitombokasem-panjakana maromaro, toy ny an’ny sampandraharahan’ny hetra etsy Ambohimangakely, ana kaominina maromaro eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritra. « Miisa 17 ireo fitombokasem-panjakana hosoka ireo », hoy ny kômandin’ny borigady Ambohimangakely. Efa olona efatra hatreto no efa voasolokin’ireto mpanera ireto tamin’ny alalan’ity taratasy misy sonia sy fitombokase sandoka ity. Vola an-tapitrisany maromaro araka izany no efa azon’izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto mpanera ireto, ary nadoboka any am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna. Tsy kely lalana tokoa ny ratsy.
m.L




