Ela nitoratorahana ka tratra ihany ! Lehilahy roa, 52 taona sy 37 taona no tra-tehaky ny zandary teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny alarobia lasa teo. Efa ho herintaona mahery no nikarohana azy ireto, indrindra fa ilay rangahy 52 taona, izay voarohirohy tamin’ny fanolanana sy ny famonoana ny zafikeliny, ny 6 jona 2016, teny Antanimenakely, fokontany Kianja Ambohimangakely. Ny zava-nitranga tamin’io andro io, nentin’ity raibeny nijery baolina ny ankizivavy kely efa-taona, izay zafikeliny. Tsy nentiny niverina intsony anefa io ankizy io, ary efa mamo ihany koa ny tenany tamin’izay. Nanomboka teo ny ahiahin’ny fianakaviana ary nandeha ihany koa ny fikarohana ilay zaza. Nametraka fitairanana avy hatrany tany amin’ny zandary ihany koa ny fianakaviana. « Herinandro taorian’izay dia hitan’ny ankizy milalao teny an-tsaha fa nisy tongotra zazakely nentin’ny alika ka nampandre ny olona ireo zaza ireo ary nanamafy ny fikarohana teny amin’ny manodidina ny nahitana io ampahan’ny vatana hita io. Hita taorian’izany tao anaty lavaka iray izay tao anaty hantsana misy alaalan-goavy ny fatin’ilay zaza» hoy ny fampitam-baovao. Nanomboka teo ny fikarohana ity raibe tsy mifaditrovana ity. « Natao ny filazana fikarohana manerana ny nosy. Tsy niato noho izany ny fikarohana fa nitohy hatrany ka ny faha-9 aogositra 2017 teo dia ren’ny fianakaviany fa eny Andoharanofotsy io rangahy io, ary nilaza tao amin’ny borigady Ambohimangakely izy ireo izay tonga teny an-toerana nikaroka azy. Taorian’ny fitadiavana azy io teny an-toerana izay naharitra ora maromato dia tratra tao amin’ny mpanefy volamena iray izy io teo am-pivarotana ny volamena azony tany Andriamena ka natao andrimaso nofotorana ». Tamin’ny famotorana azy no niaikeny ny heloka bevava vitany, ary tamin’izay ihany koa no nanoroany ny namany iray hafa izay nolazainy fa niaraka nametaveta ity tsy manan-tsiny ity, niaraka namono ary niaraka nanafina ny razana tao anatina lavaka. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ireto olona nahavanon-doza ireto.
m.L