Efatra mianadahy mpinamana izy ireo, azo lazaina fa tsy nifankafoy. Saingy tsy maintsy nosampanana ny lalan’izy ireo taorian’ny revirevy kalokalo farany niarahana : ny iray lasa any amin’ny varo-tsy mifody, ireo hafa nalefa etsy “Ambany Atsinanana”. Ny zava-nisy : tokony ho roatokombolana teo ho eo izay, hita faty niampatra tanaty rà mandriaka teo am-povoan’arabe, tamin’iny By pass iny, teo amin’ny faritra Behitsy Ambohimangakely ny tovolahy iray. Mazava ho azy fa nihevitra avokoa ny rehetra fa voadonan’ny fiara ity farany ary lasa nitsoaka ilay nandona. Nidina teny an-toerana ny zandary ary nisy ny fanokafana ny fanadihadiana. Nisy ahiahy nipetraka ihany nanomboka teo satria, rehefa tena nozahana ny razana dia toa tsy endrika lozam-pifamoivoizana velively ny ratra nahazo azy ka nitondra azy tamin’ny fahafatesany. Nanamarina izany rahateo ihany koa ny fizahana nataon’ny mpitsabo izay nanamarina fa nahitana tsatoka antsy maromaro teo amin’ny lohany. Niova ho fanadihadiana mahakasika vono indray araka izany ilay trangana lozam-pifamoivoizana teo. Nihazakazaka ny famotorana natao teo ary niafara tamin’ny fahalalana fa nisy olona telo hafa niaraka tamin’ity tovolahy ity talohan’ny namoizany ny ainy. Ary izy ireo talohan’izay dia mbola niaraka nirevirevy tao amin’ny karaoke iray teny an-toerana. Tsy sarotra loatra tamin’ireo mpanao famotorana ny namantatra ireo olona telo hafa ireo ary nisambotra azy ireo andro vitsivitsy taty aoriana. Tao anatin’ny fakàna am-bavay azy ireo no nahafantarana ny tena marina : novonoin’izy ireo ity namany ity ary noezahiny haka endrika lozam-pifamoivoizana ho fanafenana izany vono olona izany. Ny antony, tsy mbola tena fantatra hatreto, fa ny filazan’izy telo mianadahy ( nisy vehivavy iray) dia hoe nisy fifamaliana teo amin’izy ireo taorin’ilay fisotrosotroana. Fifamaliana tonga tamin’ny fikasihan-tanana ary izao niafara tamin’ny rà mandriaka sy vono olona izao. Efa natolotra teny am-pelatanan’ny fitsarana moa ny raharaha ary miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo any am-ponja ireo voarohirohy.
m.L