vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely RN2 : Kamiao voatafika, olona iray maty, roa hafa naratra mafy

Ambohimangakely RN2 : Kamiao voatafika, olona iray maty, roa hafa naratra mafy

Tifitra variraraka avy hatrany no nataon’ireo olon-dratsy roa lahy, efa vonon-kiandry an’ilay fiarabe avy nanatitra entana tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Vokany lasa ny vola  efatra tapitrisa ariary teo. Olona roa kosa no naratra mafy voan’ny tifitr’ireo mpanakan-dalana, raha iray tamin’ireo olona tao anaty fiara no maty tampoka noho ny hatairana.

Ny asabotsy hariva tokony ho tamin’ny fito hariva mahery kely teo ho eo no nitranga ity fanakanan-dàlana ity, tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankorokely, Ambohidehilahy, kaominina Ambohimangakely. Raha ny fanazavana azo, dia fiarabe mpitatitra entana, mpanao « livraison » zava-pisotro eny amin’iny faritra manodidina iny ity lasibatry ny jiolahy ity. Tamin’io fotoana io, dia toa efa nandrasan’ireo olon-dratsy mihitsy ny fiaviany , tamina toerana mangingina iray. Fantatra mantsy, fa efa avy nanatitra entana io fiara io ary handeha hitodi-doha aty an-dRenivohitra. Nijoro avy hatrany teo am-povoan-dalana izy roa lahy ireto niaraka tamina basy lava. Vao tazan’izy ireo fotsiny ilay fiara, dia efa nanapoaka ny basiny izy ireo, nanao tifi-danitra. Angamba tsy nijanona ity fiarabe ity ka avy hatrany dia tifitra variraraka niantefa teny amin’ny lohan’ny fiara amin’izay no nataon’izy ireo. Voa teo amin’ny tongony ny olona roa tao anaty « cabine », ny mpamily sy ny tompon’entana, raha tsy naninona kosa ny mpanampy ny mpamily. Tafajanona tamin’izay ny fiara. Nohararaotin’ireto olon-dratsy tamin’izay ny nisintona ilay sakaosy nisy ny vola teny amin’ilay tompon’entana, ary nanao tari-dositra toy ny tsy teo. Fotoana fohy taorian’io moa, no tonga ireo zandary misahana iny faritra iny, raha nampandrenesin’ny fokonolona nandre ilay poa-basy. Saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo mpanafika. Heverina, hoy ny fanazavana azo, fa mety ho efa nisy fiara niandry azy ireo tsy lavitra teo. Ireo naratra kosa nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana. Tao anatin’izany sakoroka izany moa no toran’ny fahatairana sy ny fahatahorana ny mpanampin’ny mpamily, ilay tsy naninona teo. Tsy niverina intsony nanaraka izay ny ainy, nony tonga tany amin’ny toeram-pitsaboana. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy atao’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici