- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Toaka gasy 1 200 saron’ny zandary

Ambohimangakely : Toaka gasy 1 200 saron’ny zandary

Omaly maraina, nahazo antso ny zandary miasa eny amin’ny faritra Ambohimangakely fa misy fiara mitondra toaka gasy, na toaka voarara hatrany amin’ny 1 200 litatra eny amina tobina lasantsy iray eny an-toerana. Fiara no nitondra ireo toaka voarara ireo.

Tsy niandry fa nandeha teny amin’ilay toerana voatondro ny mpitandro filaminana. Hita tao anaty fiara Mazda ny toaka natao tao anaty « bidon »20 litatra miisa 60. Nafenina tao anaty labasy ireo toaka ireo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa vao nahita ireo mpitandro filaminana ny tompony dia lasa nandositra. Ny mpamily ilay fiara sisa tratra teo. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa avy any Toamasina ireo toka ireo ary nokasaina hamidy any Mahitsy. Nodorana teo imason’ny olom-panjakana teo an-toerana ireto toaka ireto. Araka ny lalàna misy eto amintsika dia Ar 10.000 isaky ny litatra ny lamandy haloan’ny olona tratra amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny toaka voarara.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici