Tsy nisy nampandrenesiny ny rehetra na ireo fianakaviana akaiky na ireo olona nifanerasera taminy. Namidiny ny môtô-ny dia iny izy ny lasa ! Efa isan’ireo tafiditra tao anatin’ny antontan’isan’ireo olona very, voaray teny anivon’ny tompon’andraikitra ingahy kely ary efa nifampitadiavana.
Ny marain’ny 24 jolay lasa teo ity tovolahy iray 24 taona niala tao an-tranony tetsy Ambohimangakely, ary tsy hita tany nanjavonana intsony. Nanomboka teo ny tebiteby isan-karazany nahazo ireo fianakaviana. Talohan’io dia nandeha tsara ny findainy hoy ny vaovao ny ampitson’io no maty sy tsy azo intsony. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary niroso tamin’ny fikarohana azy. Nandeha teny ny andro sy ny ora fa efa isan’ireo naman’ny tsy hita ity tovolahy ity. Ny andron’ny alarobia teo izy io no nijaridina teo am-baravarana : niverina tao an-tokantranony. Akory ny hafalian’ireo fianakaviana ! Araka ny fampahafantarana nataon’ny mpitandro filaminana dia nikasa ny handeha hiasa an-tsokosoko tany Toamasina ny lehilahy, tsy nilaza na tamin’iza na tamin’iza ary nivarotra ireo fitaovana teo am-pelan-tanany (ny môtô). Ny finday kosa very tamin’ny andro nandehanany.
Antontan’isa. Raha ny antontan’isa farany navoakan’ny tompon’andraikitra dia olona manodidina ny 256 ny very, nanomboka ny volana janoary teo. 175 isa tamin’ireo no efa hita, izay heverina fa mety efa mba nitombo isa. Ankoatra ity tovolahy hita teny Ambohimangakely ity mantsy dia mba toa efa maromaro ihany ireo voalaza fa tafaverina soa aman-tsara any an-tokantranon’izy ireo. Raha ny angom-baovao hatreto, mazàna tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny resaka fakàna an-keriny sy halatra olona no maha tsy hita ny ankabeazan’ireo hifa sy efa tafaverina ireo. Ankoatra ny fahaverezan’ny fitadidiana ho an’ireo olona efa nahazo taona dia misy ireo minia misitrika fotsiny na dia efa fantatra izao aza fa karohina, toy ity olona iray tetsy Ambohimanambola ity, izay mbola anokafan’ireo mpitandro filaminana fanadihadiana amin’izao. Eo ihany koa ny ditraditra madinidinika sy ny famoronana lainga, entina manafina ny zavatra tsy nety natao.
Na izany na tsy izany anefa, entanina hatrany ny rehetra hiara-kisalahy hiady amin’ity tranga miseho eto amintsika ity. Ny laharana maitso 147 dia azo antsoina foana, hoy ny tompon’andraikitra, ary tsy andoavam-bola. Ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ihany koa dia efa namokatra « application » sy tranonkala, hanamora ny fitoroana herisetra sy filazàna olona very.
m.L


