- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Vono olona sy fanolanana, karohina mafy i Bota

Ambohimangakely : Vono olona sy fanolanana, karohina mafy i Bota

Mitodika any amin’i Bota avokoa amin’izao ny fanadihadiana rehetra izay hataon’ny mpitandro ny filaminana, indrindra fa ny zandary. Izany dia taorian’ilay fanafihana miampy famonoana ho faty sy fanolanana tetsy Ambohimangakely ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo. Efa nisesy rahateo ny fanafihana niampy heloka bevava tao amin’ilay toerana sy ny manodidina azy ary nitovy ny fanazavan’ireo niharam-boina ny amin’ny mpitarika ireo mpanafika. Lehilahy fohy ary bota. Io no niavian’ilay solon’anarana hoe bota izay efa karohin’ny mpanao fanadihadiana mafy ankehitriny. Hatao savahao mihitsy aza raha araka ny heno teo anivon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mendrika ny avela ho vita ho azy rahateo ny raharaha satria mendrika ny sazy faran’izay mafy indrindra ny jiolahy toa an’ i Bota. Raha hiverenana fohy dia notsatohany antsy in’enina ny lohan’ny raim-pianakaviana tao Ambohimangakely. Tsy vitan’izay fa mbola nasiany iray teo amin’ny tendany ary io no tena nitarika ny fahafatesana. Tsy nionona tamin’ny fandrobana sy ny famonoana ho faty i Bota sy ny tariny fa mbola nanolana ihany koa ny vavy tokan’ilay tokantrano notafihana. Vao haingana koa teny amin’ny tanàna manodidina, teny Alasora raha ny marimarina kokoa, no nisy tranga mitovitovy tamin’io saingy tsy nisy maty. Nanolana ny jiolahy nandritry ny fanafihany ary nandràtra koa ny olona tao an-trano. Mazava hoazy fa miaina ao anaty horohoro ny mponina eny amin’ireo faritra ireo ankehitriny ary mandry tsy lavoloha. Mila miompana amin’ny fampitombona isa ny olony eny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary koa manamafy ny fisafoana. Ekena fa tena lehibe ireo faritra roa ireo kanefa kosa mila mitondra paik’ady mifandraika amin’izany. Toa ny hoe ahena ny amin’ny toerana izay milamindamina ary alefa any amin’ny faritra mena ny maro an’isa satria mijaly loatra ny mponina.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici