- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Zandary mpiana-draharaha nitifitra ny namany, zandary iray naratra mafy

Ambohimangakely : Zandary mpiana-draharaha nitifitra ny namany, zandary iray naratra mafy

Voatery nampidirina tao amin’ny sampana vonjy taitran’ny hopitaly mihitsy ity zandary mpiana-draharaha iray, noho ny ratra mafy nahazo azy, vokatry ny tifitra nataon’ny namany zandary iray, izay mpiana-draharaha ihany koa. Zava-nitranga teo amin’ny sakana ara-pahasalamana teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny talata lasa teo.

Tendrom-po tsy mba namana … indrindra fa hoe misy fitaovam-pidiana mora raisina eny am-balahana. Tranga tsy dia fahita firy tokoa no nitranga tetsy Ambohimangakely ny alin’ny talata lasa teo. Zandary mpiana-draharaha iray no nifamaly tamin’ireo namany izay samy miambina sakana ara-pahasalamana eny an-toerana, ary niafara tamin’ny fandraisana fitaovam-piadiana izany. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy fantatra mazava izay tena anton’ny fifamaliana kanefa dia samy  mpirahalahy am-piadiana avokoa izy ireo. Niha-niakatra avo nony avy eo ny feo ary niha-mahery ireo teny nivoaka. Tampoka teo, nirefotra ny basy, nanaitra ireo manodidina. Zandary mbola mpiana-draharaha iray no nitolefika moramora rehefa nivoa-drà ny lamosiny. Tsy nahetsika intsony ity farany ka ireo namany nahita ny zava-nitranga no nitondra azy haingana tany amin’ny hopitaly. Raha ny voalaza dia tena voa mafy dia mafy tokoa ity farany. Fa ankoatra io dia fantatra fa mbola nahatifitra olona roa hafa teny an-toerana ihany koa ity farany : ny iray tamin’izy ireo dia olon-tsotra izay voasafon’ny bala fotsiny ihany teo amin’ny sofiny ary ny iray, zandary izay sefon’izy ireo. Tsy dia naninona moa ity farany raha ny vaovao azo satria dia toa voarangotry ny bala fotsiny ihany koa ny sorony.

Tonga nitsidika ity zandary naratra ity moa ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, izay nisolo tena an’Atoa Jeneraly Sekreteram-panjakana, omaly. Nohamarinin’izy ireo tamin’izany fa raisin’ny avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena iray manontolo ny fikarakaraka amin’ny fitsaboana ity naratra ity. Voalaza ihany koa fa efa nandray ny andraikiny ireto farany amin’ny fanaovana fanadihadiana sy ny famotorana rehetra mahakasika ity tranga ity. Fantatra moa araka izany fa efa nesorina teny amin’ity zandary nahatifitra ny namany ity ny basiny ary notanana natao andrimaso ity farany, ary eo am-panaovana famotorana lalina ireo tompon’andraikitra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici