- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimiadana Andramasina : Mpanakan-dalana roa lahy voasambotry ny zandary

Ambohimiadana Andramasina : Mpanakan-dalana roa lahy voasambotry ny zandary

Ela nitoratorahana ireto jiolahy rain-dahiny ireto ka sendra ny nahay azy. Tato ho ato tokoa dia saika mikaikaika ireo mponina mindrana iny lalana mizotra mankany Ambohimiadana iny, ny amin’ny fisian’ireo mpanakan-dàlana. Tena lasibatra amin’izany ireo mpitondra kodiaran-droa. Ny faramparan’ny volana teo ary, dia nisy roa tamin’izy ireo no tra-tehaky ny zandary tany an-toerana, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy.

Araka ny fampitam-baovao azo, dia mpitondra môtô iray no sendran’izy ireo, tokony ho telo kilaometatra miala ny tanàna. Efa nandrasan’izy ireo kendry tohina fotsiny ity lehilahy ity, ka raha vao nandalo dia nipoitra haingana tao anaty ala niafenany ny iray. Avy hatrany dia vely « bois rond » no niantefa teny amin’ny lohan’ilay rangahy. Nipitika ity farany, saingy mbola nahatsiaro tena ka niezaka nanohitra ity mpifanandrina taminy. Tamin’io fotoana io anefa no nivoaka ilay naman’ilay olon-dratsy faharoa. Sendra ny isa tsy mitovy ka voatery nitsoaka ilay lasibatra. Soa ihany anefa tao anatin’ny fotoana nandalovan’ireo zandary mpanao fisafoana mihitsy ilay zava-nitranga ka tsy nisalasala ireto farany, rehefa nantsoin’ilay niharam-boina, nandray ny andraikiny. Raikitra teo ny fanenjehana ka tsy lasa lavitra fa tokony ho dimy kilaometatra, tamin’iny lalana mizotra mankany Alatsinainy Bakaro iny no voasambotra ireto olon-dratsy. Araka ny fanadihadiana natao azy ireo, dia  « avy ao Antsahadenda Ambohimiadana ihany moa ny jiolahy iray raha avy any Betafo Antsirabe kosa ilay faharoa ». Efa natolota ny Fampanoavana tao Ambatolampy moa ireto olon-dratsy ireto ary nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana ihany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici