- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Fiara 305 nandona moto, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambohimiandra : Fiara 305 nandona moto, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Azo lazaina fa tena efa leo tanteraka ny olona raha ny resaka tsy fitandreman’ny mpamily sasany eto amintsika.  Nitrangàna lozam-pifamoivoizana indray mantsy manoloana ny FJKM Ambohimiandra iny ny harivan’ny alakamisy andro fiakarana teo. Fiara 305 menamena iray izay nanararaotra ny làlana ho vitsy mpandeha no nitrifana ka nahadona mpitondra moto iray. Ny fitaratra alohan’ilay fiara moa dia vaky tanteraka. Saingy tsy nahasakana an’ity mpamily nanohy ny diany hatrany izany, nandeha nandositra nirifatra toy ny tsy teo. Ny fokonolona nanatri-maso ny zava-niseho moa dia tsy nionona fotsiny tamin’izao fa avy hatrany dia nandray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’izany ka dia nandefa solontena nanaraka ity fiara nahavanon-doza. Vokany : teny Soanierana no tratra soa aman-tsara ilay fiara 305. Nitaky ny hivoahan’ity mpamily ny fiara avy hatrany ireto mpanara-dia sy ireo vahoaka nahare ny vaovao nanatri-maso teo. Ity farany kosa, noho ny tahotra angamba, dia mbola nahasahy nandà ny zava-doza vitany ihany na dia teo aza ny fitaratra vaky izay porofo tsy takona afenina tamin’ny zava-niseho. Marihina moa fa tonga nanaraka an’ilay fiara niaraka tamin’ireo olona vitsivitsy ihany koa ilay tompona moto naratra. Ity farany dia nitaky ny hanonerana ny fandratrana tsy am-pitandremana natao taminy. Raha nisy kely tokoa mantsy dia mety ho niharan’ny fitsaram-bahoaka indray ity mpamily ity raha ny hatezeran’ireo nanatri-maso.

Niony H.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici