
Tovolahy 25 taona no tra-tehaky ny polisy tetsy amin’ny hopitalin’ny reny sy zaza tetsy Ambohimiandra ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Antony : fidirana an-tsokosoko ao amin’ny faritra ny hopitaly sy fangalarana fitaovana tao an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa mpamerin-keloka amin’ny resaka halatra ity tovolahy ity. Tovolahy izay fantatra ihany koa fa anisan’ireo mpandray zava-mahadomelina atsindrona. Feno diam-panjaitra marobe mantsy ny sandriny, raha ny voalaza hatrany. Tamin’io alin’ny talata io ingahy no nisy nahatsikaritra niditra moramora tao amin’ny faritr’ity toeram-pitsaboana ity. Nahamailo ilay nahatsikaritra ihany izany ka nampandre avy hatrany polisy ity farany. Tonga avy hatrany teny ireto mpitandro filaminana ary tratra am-bodiomby, teo am-pibatana fitaovana fanorenana tao amin’ity hopitaly ity ingahy. Tsy niala intsony moa ary tsy afa-nandà ny zava-dratsy saika nataony. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria ilay tovolahy ary nanaovana famotorana. Teo ihany koa no fantatra ny amin’ny maha mpidoroka azy sy amin’ny maha-mpamerin-keloka azy. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy moa ingahirainy, mialoha ny nanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana. Mbola tsy mitsahatra ny mandrava sy mamotika olona maro tokoa ny rôrô na dia tsy dia re firy intsony aza tato ho ato. Hiaraha-mahalala fa ny fiankinan-doha be loatra amin’io rongony io no antony manosika ireo mpandray sy mpitsindrona azy hanao asa ratsy ary mampirongatra ny tsy fandriampahalemana aty afara ankoatry ny voka-dratsy haterany amin’ny vatana sy saina.
m.L




