- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimiandra : Nirombo ny taxi-be sy ny mpandeha

Ambohimiandra : Nirombo ny taxi-be sy ny mpandeha

Nandeha ny tora-bato sns

Teo amin’ny fiantsonan’ny zotra 153 tetsy Ambohimiandra no nitranga ny ady. Ny mpamily ilay taxi-be sy ny tanora izay raha ny fijery azy dia mbola mpianatra no nanao totohondry omaly tokony ho mitataovovonana. Tsy vitan’ny naratra ireo fa mbola tonga tamin’ny fanapotehana ny fiara koa. Notorahana vato ny pare-brise ary vaky tanteraka. Tsy hitan’ny olona izay natao satria na niezaka nanasaraka aza dia nentim-po be ny roa tonta ary efa nanomboka samy naka izay hitany teo amin’ny manodidina koa, toy ny hazo sy ny izay mety hiarovan-tena. Toy ny mahazatra dia nitangorona fotsiny araka izany ny mpijery ary toa ny nijery sarimihetsika ihany. Izay mpandalo sendra nahita avy ao anaty fiara dia namoaka finday ary naka sary mba halefa amin’ny tambajotran-tserasera. Tsy nisy niantso ny mpitandro ny filaminana ary dia navela fotsiny niady teo araka izany. Ireo tanora no nifandamindamina teo ary nitondra ilay tovolahy izay nivonto loha noho ny daroka niala teo an-toerana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici