Omaly no nahitana fatin-dehilahy iray tao an-tranony, teny amin’ny faritra Ambohimirary. Hatramin’izao aloha ,efa manao nyfanadihadiana ny mpitandro filaminana dia tsy fantatra marina ny antony nahafaty an’io olona io. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa toa hoe nisy namono izy io. Tsy fantatra araka izany koa izay nahavanona ny loza. Tany amin’ny 4 ora tolakandro tany no nahitana ny razana. Ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana iao. Tamin’ny fotoana nahazoana ny vaovao, nilaza ny tompon’andraikitra fa tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro teo no nahitana ilay razana. Vono olona mihitsy moa ilay nitranga, hoy hatrany ny vaovao, ary mety ho efa nomanina mialoha raha ny fahitana azy. Nahitana ratra ny tenan’ilay lehilahy. Ny mponina teny an-toerana ihany moa no nampilaza ny mpitandro filaminana raha vao nahafantatra ny zava-niseho. Hatramin’izao aloha, tsy mbola misy ny ny vaovao marim-pototra mikasika ity lazaina fa vono olona ity. Ny polisy misahana ny ady heloka bevava « Brigade Criminelle » no mandray an-tànana ny famotorana ka andrasana ny ho tohiny.
r.s.