- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimirary : Mpangalatra môtô nifanenjehan’ny pôlisy

Ambohimirary : Mpangalatra môtô nifanenjehan’ny pôlisy

Mirongatra izay tsy izy tokoa amin’izao ny halatra môtô. Vitan’ireo olon-dratsy mihitsy ny mamaky trano, mamoaka izany avy ao anaty tamboho fa tsy mionona fotsiny amin’ny fangalarana ireo môtô mipetraka eny ho eny. Toa ity tranga tetsy Ambohimirary ity : teo am-panosehana izany môtô halatra izany mihitsy ireto olon-dratsy no nifanena tamin’ireo pôlisy. Raikitra ny fifananjehana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia niisa telo ireto olon-dratsy no niezaka nanosika ilay zavatra halatra. Tato ho ato tokoa mantsy dia tsy vitsy amin’ireto mponina teny amin’iny faritra Ambohimirary tonga hatrany Ambatomaro ary ireo faritra manodidina no mitaraina amin’ny firongatry ny hala-botry, vaky trano sy ny fanendahana. Na dia eo tokoa aza mantsy ny fisafoana tsy tapaka ataon’ireo pôlisy dia toa efa hain’ireo olon-dratsy an-tsakany sy an-davany ireo faritra misy azy ireo sy ny ora fisian’izany fisafoana izay. Any amin’ilay faritra sy amin’izay ora izay araka izany no hanararaotan’izy ireo manao ny asa ratsiny.

Tamin’ity indray mitoraka ity, nanova paikady ny pôlisy, indrindra fa ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo, misahana izany ary nampitombo isa ny olombelona eny an-kianja, hafahana misahana faritra maro amin’ny fisafoana. Tamin’izay indrindra, omaly alina, no nifanehatra tamin’ny bandy telo lahy manosika môtô anankiroa amin’ny maizina izy ireo. Fihetsika izay nampiahiahy tokoa ka nanatonan’izy ireo avy hatrany. Vantany vao nahita ny fisian’ny pôlisy anefa ireto farany dia nitsoaka toy ny tsy teo, namela ireo môtô miisa roa natosik’izy ireo. Mazava ho azy, fifanenjehana anaty maizina no sady toa efa mahafantatra tsara ny elakelan-trano teny amin’iny faritra Ambohimirary ity ireto farany. Tafaporitsaka araka izany ireto farany ary tsy hita tany nanjavonana intsony.

« Efa noetina eny amin’ny birao avokoa ireo moto ireo ary efa nandefa fampilazana ireo tompon’ny moto ary hanatontosa ny famerenana izany », hoy ny fampitam-baovao azo. Omaly ihany moa dia efa tafaverina tamin’ny tompony ireo môtô halatra ireo, raha ny angom-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici