- Publicité SW45 -
jeudi, mars 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohinaorina : Disadisa noho ny ady tany nivadika halatra nahavoasambotra lehilahy iray

Ambohinaorina : Disadisa noho ny ady tany nivadika halatra nahavoasambotra lehilahy iray

Mety hampigadra sy hiakarana eny amin’ny fitsarana tokoa ny halatra akoho! Raharaha tsy voalamina eny amin’ny fokontany? Halatra akoho miharo ady tany niakarana fampanoavana omaly teny amin’ny fitsarana Anosy. Nitaraina ny havan’ity olona voarohirohy amin’izany fa mahatsiaro ho azon’ny tsindry hazo lena. Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, miantefa amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé ny antson’ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamin’ny raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina kaominina Fiadanana distrikan’Ambohidratrimo, omaly teny Anosy. Nilaza ramatoa Rakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Madera Namontana, nisolo tena ny fianakavian’ilay voampanga, fa ny 24 hifoha 25 desambra teo no nitranga ity raharaha ity. Voalaza fa halatra akoho no niantombohan’izany ka nifangaro resaka ady tany.

« Tratra ny olona iray nangalatra akoho ka noterena hanondro ilay voampanga ity mpangalatra ity. Ho tambin’izay, avotsotra izy. Tonga ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe niaraka tamin’ny sivily iray hisambotra azy ny alin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa sady nidaroka ihany koa izy ireo », hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo mpitory amin’izao raharaha izao. « Nofatorana sy nampadohalihana izy sady narahina vono sy daroka. Naratra vokatr’izany ity niharam-boina ity ka teo no niteraka fitarainana sy alahelo nataon’ireo fianakaviana », hoy ihany ny fanazavana. Mety misy ny fiarovana tombotsoa manolona izao, hoy ny fitarainana. Milaza fa natao tondro olotra ilay olona nampiakarina fitsarana. Izany hoe ilay mpangalatra akoho nanondro ilay rangahy ho mpaniraka. Raharaha izay tokony ho vita eny anivon’ny fokontany, izao miafara eny amin’ny zandarimaria, izay mahabe resaka izao ny fihetsik’izy ireo, ary eny amin’ny fitsarana ankehitriny.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici