- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipeno : Mpanendaka saika matin'ny fitsaram-bohoaka

Ambohipeno : Mpanendaka saika matin’ny fitsaram-bohoaka

Lehilahy iray sahabo ho 40 taona eo no tratran’ny fokonolona nanendaka tao Lavarano Ampohipeno ny alahady teo. Saikan’ny matin’ny fitsaram-bahoaka ranamana fa soa fa nisy tamin’ireo fokonolona ihany no niharo ny ainy ary nanatitra azy teny amin’ny mpitandro filaminana.

Mpanendaka efa gaigy lahy ity voasambotra ity raha ny filazan’ny olona eny an-toerana. Efa ela no niandrasan’ny fokonolona azy ka izao tratra ambodiomby nanendaka izao. Somary mangingina ilay toerana nanaovany ara saratsiny sady mbola vao tamin’ny 3 ora tolakandro. Niantso vonjy ilay voandeka ka tsy ela dia nifanenjahan’ny fokonolona. Tsy lasa lavitra dia voasambotra ity olon-dratsy. Nahiahian’ny fokonolona ho ity jiolahy ity ihany koa no nanendaka ramatoa iray tamin’ny hariandro lasa teo ka vola 9 alina, niampy finday no nalainy, ankoatra izay dia nopotehany ihany koa ny môtô noentin’ilay ramatoa. Tezitra ny fokonolona ka niharan’ny vono sy fampijaliana ilay jiolahy alohan’ny nanaterana azy teny amin’ny mpiandro filaminana. Voalaza fa nongotan’ny olona hatramin’ny hohotanan’ jiolahy.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici