Mbola nifanaretsaka ny olona, satria amin’ny ora fodiana mihitsy no nitranga ilay asan-jiolahy. Tokony ho amin’ny fito ora hariva, ny asabotsy teo, no tonga nanafika ny toeram-pivarotana iray ny enin-dahy nitam-basy. Nambanana tamin’ny fitaovam-piadiana ny olona rehetra izay tao amin’io « grossiste » io. Rehefa tsy nisy afa-nihetsika, dia nasaina nanome ny vola amin’izay. Vola izay tao anaty baoritra, vidin’entana maty indray andro, no lasan’ireo olon-dratsy. Rehefa vita ny asa ratsy izay notontosaina teo ambany mason’ny olona marobe, dia napoaka tamin’izay ny basy mba hiarovana ny fitsoahana. Nikisakisaka ny olona ary samy nanavotra ny ainy, satria fantatra fa tsy hisalasala ny hitifitra ireo olon-dratsy ireo raha sanatria misy manakana ny làlany. Tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana maro ary niezaka ny nisafo ny manodidina, saingy efa tsy hita intsony ny nanjavonan’ireo olon-dratsy marobe. Isan’ny faritra mena hatrany Ambohipo eto An-drenivohitra nefa, dia tanàna isan’ny be olona mifanaretsaka. Fokontany roa no tena ikoizan’ny olona ao an-toerana noho ny asa ratsy izay mitranga matetika. Efa niezaka ihany ny mpitandro ny filaminana ny nanamafy ny fisafoana, saingy toa efa fantatr’ireo mpanafika koa angamba ny fotoana handalovan’izy ireo ary ataony kajikajy mba hifanandrify amin’izany ny asaratsy mba hanamorana azy.
D.R