- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbohipo : Fety nandresen’ny Barea saika nivadika fitsaram-bahoaka

Ambohipo : Fety nandresen’ny Barea saika nivadika fitsaram-bahoaka

Nivadika sakoroka ny fifalian’ireo vahoaka tamin’ny nahazoan’i Barean’i Madagasikara ny laharana fahatelo, tetsy Ambohipo, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo. Mpitondra taxi iray no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, raha tsy tonga haingana nandamina ny mpitandro filaminana.

Na dia efa tany ho any amin’ny misasak’alina mahery tany ho any aza dia saika nahitana fety aman-danonana avokoa ireo faritra rehetra teo an-drenivohitra, taorian’ny nandresen’ny ekipan’ny Barea, ny ekipam-pirenen’i Niger. Anisan’izany ny teny Ambohipo, izay tena tomefy olona tokoa. Tao anatin’izany hafaliana tsy omby tratra izany anefa no nosembanin-drahona ny lanonana. Araka ny angom-baovao azo dia nisy fiarakaretsaka niezaka namakivaky izany olona marobe izany teny an-toerana. Tsy nahazo lalana moa ilay fiara, satria feno olona ary hipoka ny arabe. Niezaka nandeha moramora ihany ity farany saingy tsitapitrapitr’izay no nisy andian-jatovo, nanomboka niakatra sy nikapokapoka ary nively ilay fiara. Mety taitra tamin’io ny mpamily ary nanomboka nandeha mafimafy. Tao anaty vahoaka moa ka nisy olona saika voadona tao anatin’izany. Izay toe-javatra izay no nanomboka nitarika ny toe-draharaha, raha nivadika ho hatezerana tampoka tamin’ity mpamily ny fiara ity ny hafalian’ireo vahoaka. Efa tsy tana fa efa nisy avy hatrany ny nively sy nanapotika izany fiara izany, ary efa tonga hatrany amin’ny antsoantso ho amin’ny fitsaram-bahoaka.

Soa ihany, tonga haingana ireo pôlisy niezaka nandamina teny an-toerana. Izy ireo dia efa niatrana avy hatrany teny an-toerana, nitandro hatrany ny tsy hisian’ny korontana tahaka izao. « Nanaiky ny hilamina ihany ireo vahoaka ary niravona moramora, tsy nisy naratra teny an-toerana », hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra. « Amin’ny tranga tahaka ireny dia somary sarotra ihany ny hisambotra avy hatrany an’izatsy na izaroa. Rehefa milamina ny toe-draharaha ary voaaro sy afaka nanohy ny lalany ilay fiara dia ampy, kanefa tsy mahasakana ny mety hisian’ny fanadihadiana aorian’izay », hoy ny fanazavana azo hatrany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici