Nisehoana haitrano teny Ambohipo tsy lavitra ny fiantsonan’ny taxi-be 156. Vokany, lahy antitra iray eo amin’ny 83 taona eo no kilan’ny afo. Trano vita amin’ny biriky tsy misy rihana io nirehitra io. Omaly tamin’ny 8 ora sy 10 minitra alina no naharay antso ny mpamono afo avy etsy Tsaralalana. Rehefa tonga teny an-toerana moa ry zareo, dia efa matin’ny fokonolona ny afo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa mipetraka irery ity lahy antitra kialan’ny afo ity. Tsy lavitra eo anefa ny havany izay nampandre avy hatrany ny « pompier » raha vao niseho ny loza. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa mampiasa jiro mandeha amin’ny « pétrole » ity olona may ity. Tsy fantatra araka izany izay niseho marina tamin’ny fotoana naha may ny trano nipetrahany. Maro ny resaka heno teny an-toerana mikasika ny fahamaizana. Tsy hay hotanterina eto avokoa anefa izany, satria nisy ireo nilaza, izay fahamarinany tsy fantatra, fa niniana nodorana io trano io. Ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no tsy maintsy ahafantarana izay zavatra marina amin’ity haintrano ity.
nangonin’i r.s.