- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipotsy : Mpifankatia voavono sy voaendaka

Ambohipotsy : Mpifankatia voavono sy voaendaka

Telolahy no tra-tehaky ny pôlisy teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy teny Ambohipotsy. Mpifankatia nandehandeha teny an-toerana ireto lasibatra ireo. Tsy vitan’ny nanendaka mantsy ireo olon-dratsy fa mbola niharo vono ihany koa izany.

Isan’ny toerana iray fitsangantsangana sy fandehanan’ireo mpifankatia raha eny amin’iny faritra Ambohipotsy iny. Avo sy mahafinaritra ny fitazanana. Somary mangingina sy vitsy mpandeha rahateo. Tsy ireo mpifankatia na ireo tia mitsangantsangana ihany anefa mankafy izany toerana izany fa ireo olon-dratsy ihany koa. Porofon’izany, mpifankatia saika higoka ny hakanton’ny toerana teny amin’iny faritra iny no notongavana telolahy nirongo zava-maranitra. Somary nanohitra ilay tovolahy ka tsy nisalasala ireo olon-dratsy namono azy avy hatrany. Tamin’izay fotoana izay anefa no nisy nampandre ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa ka tonga haingana teny an-toerana. Mbola tratra teo ireo mpanendaka sy ireo noendahina. Nitsoaka avy hatrany izy telolahy, izay tsy nahazo inona tamin’io fotoana io, raha vao nahita ireto mpitandro filaminana saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra.

Mandrafitra paikady vaovao tokoa amin’izao fotoana izao ireo pôlisy eo anivon’ity kaomisaria ity, entina hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahaleman, raha ny loharanom-baovao azo. Misy vokatra azo tsapain-tanana tokoa izany, satria araka ny fampitam-baovao azonay dia nahatratra teo amin’ny valolahy teo izao ireo mpanao ratsy sy mpampihorohoro iny faritra sahanin’izy ireo iny no voasambotra. Ankoatra ireo telolahy tetsy Ambohipotsy, dia nisy roalahy tra-tehaka teo am-pikononkonana fanendahana tetsy Ambanidia. Ireo telolahy farany kosa dia fantatra fa avy namaky toeram-pitsaboana iray teny Antsahamamy ka voasambotra teo amin’ny toeram-piantsonan’ny zotra 119. Araka izany, manentana ny tsirairay hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena hiantso azy ireo raha vao misy vaovao mahakasika ny resaka tsy fandriampahalemana, ahafahana misoroka na misambotra ireo mpanao ratsy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici