- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohipotsy : « Touristes » roa voaendaka    

Ambohipotsy : « Touristes » roa voaendaka    

Tsy zava-baovao akory na dia efa mba nilamindamina aza izany tao ho ao. Ny alakamisy teo dia nisy mpizaha tany roa vavy izay niharan’ny sinto-mahery. Tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany hariva no nitranga ilay fanendahana, teo Ambohipotsy. Lasa ny finday tsara tarehy miisa roa, ny vola mitentina 520.000ariary ary ny solosaina. Ny tena olana dia isan’ny nendahin’ireo jiolahy koa ny taratasy rehetra mahakasika ny asan’izy ireo. Maizina tanteraka ny tany aman-danitra ho an’ireo mpizaha tany satria raha hampifaly tena mba hijery tanàna ny anton-dia, na ny taratasy izay hahafahana miverina aza lasan’ny jiolahy koa. Soa fa natanjaka ny « guide touristique » izay nitondra azy ireo ary nanao izay ho afany tamin’ny fisamborana. Ny iray no azony ary nentina avy hatrany teny amin’ny polisy misahana ny boriborintany faharoa. Nosokafana teo ihany ny fanadihadiana izay niafara tamin’ny nahazoana ny naman’ilay olon-dratsy. Telo izy ireo no voasambotry ny polisy ary voamarika fa mbola samy tanora avokoa. Mitondra endrika ratsy ho an’ny fizahan-tany ny fisian’ny mpanendaka eny amin’ny « La haute ville » ireto. Toerana izay tena tsidihan’ny mpizaha tany anefa ao Anatirova sy ny manodidina azy, satria manankarena ara-tantara no sady fitaratry ny fiaraha-monina malagasy koa ny vakoka misy eny. Efa betsaka izay vahiny voaendaka izay, ary mila fandraisana fepetra ny tokony hanamafisana ny fandriam-pahalemana, indrindra amin’izao vanim-potoana izay manomboka misokatra izao ny fizahan-tany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici