- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohipotsy : Tra-tehaka ireo mpianatra mpanendaka sy mpifoka rongony

Ambohipotsy : Tra-tehaka ireo mpianatra mpanendaka sy mpifoka rongony

Taorian’ny  vaovao marim-pototra azon’ny Polisy mikasika ny fisian’ireo andian’olona mifoka rongony mialoha ny hanaovana asa fanendahana sy sinto-mahery eny Ambohipotsy sy ny manodidina dia nanao andrimaso teny ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faha-2. Vokany, lehilahy miisa enina no voasambotra teny amin’iny faritra iny, ny 25 jolay 2017 tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro. Ny fanadihadiana natao no nahalalana fa 20 taona ny salan-taonan’izy ireo ary mbola mpianatra avokoa.

Mbola teny Ambohipotsy ihany, lehilahy roa no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa, ny 24 jolay sy ny 25 jolay, rehefa avy nanendaka vangovango sy “portefeuille” teny an-toerana. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona dia vaosambotra ny iray ny 24 jolay. Ny 25 jolay kosa no saron’ny polisy ny faharoa. Efa tafaverina amin’ny tompony ny entana nangalariny. Nahatratrarana antsy tany amin’izy ireo.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici